Evenement

THB TOUR MAHAJANGA: Efa mati-paika ny fitandroana ny filaminana.


Taorian’ny THB Tour tamin’ny fetin’ny Paska tany Antsirabe farany teo, anjaran’i Mahajanga indray izao. Eny amin’ny tora-pasika Soma Beach (Village touristique) ny fotoana ny zoma 19 ka hatramin’ny alahady faha-21 ny volana Aogositra. Hitandroana ny filaminana, voafehy ny toerana hanatanterahana ny hetsika ary ireo feno 18 taona ihany no afaka miditra ao. Noho izany, hisy ny fisavana kara-panondro. Araka ny fanazavan’ny Tomponandraikitry ny hetsika, Setra RAMANAKORAISINA, efa mati-paika avokoa ny tetika rehetra hitandroana ny filaminana ka ekipa 150 eo no hisahana izany.
Etsy ankilany, nomena sehatra iray hafa ny fianakaviana sy ny ankizy ary ireo te hankafy ny zava-pisotro tsy misy alikaola an’ny orinasa STAR fotsiny.
Mandritra ny telo andro, hanafana ny lanonana i Marojoby, D’Alvis, Ambondrona, Maitre Ruffin ary Taa Tense. Hanampy hampiaina ny hetsika ny tarika Fou Hehy ary ny alina kosa ny DJ Nicky Di Manu sy ny DJ Sniper. Ankoatra izany, lalao isan-karazany ahazoana loka maro be no hotontosaina ny asabotsy sy ny alahady.
Marihina fa maimaim-poana ny fidirana mandritra ny hetsika THB Tour.

Lynda A.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *