Nampafantarina androany teny amin’ny ministeram-panjakana miandraikitra ny fiadidian’ny Repoblika, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana teny Anosy ilay tetik’asa TATOM na AnTananarivo Toamasina. Tetik’asa momban’ny fanajariana ny tany hiarahan’ny mpitondra Malagasy sy ny JICA. Mitentina 3 tapitrisa Dollars ny fanantaterahana ity tetik’asa ity izay entina hanatsarana ny fifandraisan’ireo tanàn-dehibe roa ireo.
Anton’izany dia noho ny fisian’ny serana-tsambo lehibe ao Toamasina izay mampiakatra vokatra aty an-dRenivohitra ary koa ny fanatsarana ny fifandraisan’ireo tanàna roa ireo momban’ny fanajariana ny tany. Eo ihany koa ny fahaizan’ny Japoney mifehy ny fanajariana ny tany sy tanàn’dehibe ka hiandradranana vokatra tsara amin’izy ireo ny fanaovany izao tetik’asa izao. Ny faran’ny volana Desambra no hanomboka ny fitadiavana ny olona hanao ity asa lehibe ity raha amin’ny 2017 no hivoaka ny drafim-panajariana.