politique

TETIKASA TANAMASOANDRO: Mampiverina indray ny fahaizana mifampidinika


Tsy ny mpanohana ny fitondrana ankehitriny  ihany no maneho ny heviny momba ny tetikasa Tanamasoandro. Nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana eny anivon’ny Antenimierandoholona ny talata 15 oktobra 2019 dia nilaza ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rakotovao Rivo fa mahalala izay mahasoa ny vahoaka ny fitondrana. “Tsy misy fanjakana hitady haharatsy ny firenena fa ilaina ny mifanazava hevitra”, hoy izy. “Ny fanontaniana mipetraka dia hoe: maninona no mimenomenona ny vahoaka? Inona ny andraikitry ny parlemantera ao anatin’izany? ”. Manoloana ny tetikasa Tanamasoandro izay katsahin’ny fanjakana fatratra ny hanatanterahana azy  na dia mampisavorovoro an’ireo mponina voakasiky ny tetikasa tahaka ny eny Ambohitrimanjaka, Ambohidrapeto dia manao antso Rakotovao Rivo fa “aleo aloha hifampidinika”.

Ankoatra izany, manaitra ny tomponandraikitra mahefa ihany koa ny tenany momba ireo mpifindra monina satria lasa miteraka tsy fifankahazoana. Nohamafisiny fa malalaka ny fivezivezen’ny Malagasy  eto an-toerana. Voafaritry ny lalàna rahateo izany. Raha ny tranga hita ao amin’ny faritra Boeny dia mampitaraina ny fikambanana mamboly hazo hanaovana saribao ny doro tanety ataon’ireo mpifindra monina sasatsasany satria miitatra any amin’ny tany fambolen-kazo izany .

Mampatsiahy ny filohan’ny Antenimierandoholona fa teti-pitondrana, vinam-piarahamonina, hampivoarana ny firenena fa tsy hanapotehana ny politika. “Tsy kisarisary miova isan’andro fa mijoro amin’ny foto-kevitra iray ny politika. Misy ny hevitra tsy mitovy fa tsy izay no hanapotehana firenena”, hoy izy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *