Socio-eco

Tetikasa « Rary Aro Mada » Tohanan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony


Teny amin’ny trano fiasany teny Fiadanana no nandraisan-dRamatoa minisitry ny fampianarana ambony, ny mpandrindra ny rafitry ny firenena mikambana izay miasa sy monina eto Madagasikarara.
Dinika tsotra sy tamin’ny fomba fifanajana no nisy teo amin’ny roa tonta ka nahafahan’izy ireo nanasongadina hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fanaovana sonia tetikasa lasitra momba ny fiarovan’ireo tanora ny zon’olombelona sy fametrahana ho fanamafisana ny fandriampahalemana, sy ny fametrahana ihany koa ny fitoniana ara-tsosialy eny anivon’ny fiaraha-monina…
Ity tetikasa ity izany raha ny marimarina kokoa dia vokatry ny asan’ny OHCHR sy ny UNESCO ary vatsian’ny PBF vola, izany dia ho fanohanana ireo tanora mianatra eny amin’ny oniversité eto amintsika.
Navoitran’ny minisitra Assoumacou Elia Béatrice, nandritra ity fihaonana ity ihany koa ny fifandraisan’ireo samy mpianatry ny oniversité, indrindra rehefa misy fihetsiketsehana sy fitakiana ataon’izy ireo…
Ny  tetikasa « Rary Aro Mada » ihany koa, hoy izy, no hanampy amin’ny fanabeazana ireo tanora, ary ahafantarany tsara izany fiarovana ny zon’olombelona izany, ary ny fiarovana ny fananana iombonana ka mba tsy hisian’ny fihetsika mety ho fanimbàna na koa hnelingelenana ny fizotry ny fampianarana. Izany indrindra dia mba ahafahana manala ny tanora amin’ny haraton’ny kotontana ara-piaraha-monina sy ara-politika
Issa Sanogo, ilay mpandrindra maharitry ny rafitry ny firenena mikambana eto amintsika kosa tetsy ankilan’izany dia niarahaba sy nankasitraka an-dRamatoa minisitra amin’ny fanohanan’ny minisitera izay tarihiny ity tetika ity ho an’nireo tanoran’ny oniversite eto amintsika.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *