politique

TETIKASA PEV : Fifidianana hanjakan’ny filaminana


Manakaiky kokoa ny sosialim-bahoaka ny famatsiam-bola ataon’ny vondrona Eropeanina. Antok’izany ny fahamarinan-toeran’ny fanjakana. Noho izany, manampy amin’ny tsy hisian’ny korontana izy amin’ny fifidianana hitranga eto Madagasikara.

Benedito Sanchez ( Ambasadaoron’ny vondrona Eropeanina )

Ny vahoaka tsy mandady harona hatrany no mizaka ny vokatry ny korontana ateraky ny fifidianana. Hiatrika fifidianana filoham-pirenena ny firenena Malagasy amin’ity taona 2018 ity raha tsy misy ny sampona. Mba hisian’ny fitoniana hampirindra sy hampilamina ny fifidianana, teraka ny tetikasa “rindra hisiam-pifidianana lavitry ny hetraketraka” (PEV). Ny « Centre Européen d’Appui Electoral (ECES) » no mitantana ny tetikasa. Mitentina 999.944 euros na 3.986.496.743 Ariary. Ny vondrona eropeanina no namatsy izany vola izany. Mandritra ny 20 volana (janoary 2018 ka hatramin’ny aogositra 2019) ny faharetan’ny tetikasa. Ny fiarahamonim-pirenena, ny haino aman-jery, ny mpitandro filaminana, manam-pahefana ifotony miantsehatra amin’ny fifidianana, ray aman-dreny ara-drazana sy ara-panahy, ny olom-boafidy, ny tanora ary ny vehivavy no iantefan’ny tetikasa. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 13 martsa 2018, teny amin’ny Ibis Ankorondrano ny fisian’ity tetikasa ity.

Seminera

Tanora mpiofana tany Fianarantsoa

Miara-miasa amin’ny komity mpanara-maso ny fifidianana (KMF-CNOE), ny Liberty 32, ny « Coalition des radios pour la consolidation de la paix », ny fikambanan’ny mpianatry ny oniversite mampiroborobo ny miralenta (AUPROG), ny « Unité de Monitoring des Médias » ny ECES amin’ny fanatanterahana ny tetikasa. Niroso tamin’ny asa mivaingana ny ekipan’ny PEV Madagasikara ny 13 sy ny 14 aprily 2018. Nisy ny seminera niarahana tamin’ireo tanora avy ao Fianarantsoa. « Ho tanora hanana zoto hivoy ny filaminana mandritra ny vanim-potoanan’ny fifidianana no tanjona tamin’ny tetikasa”, hoy ny ekipan’ny PEV Madagasikara. Nandritra ny roa andro, nampahafantarina ireo mpandray anjara ny teknika ahafahana mametraka filaminana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Tamin’ny famaranana ny seminera, nanapa-kevitra izy ireo fa hiroso amin’ny fanentanana ireo tanora hafa mba tsy hanaiky atao fitaovana hanakorontana na ho loharanon’ny fanakorontanana mandritra ny vanim-potoanan’ny fifidianana. « Aza manaiky atao fitaovana hanakorontana » ny lohahevitra entin’izy ireo amin’izany.

Adi-hevitra

Mpandray anjara tamin’ny adi-hevitra tany Fianarantsoa

Misoroka ny fikorontanana ao anatin’ny fifidianana ny fifampiresahana. Ao anatin’ny paik’ady entin’ny tetikasa hampajankana ny filaminana mandritra ny vanim-potoanan’ny fifidianana amin’ity taona 2018 ity ny fihainoana ireo feon’ny mpiantsehatra rehetra manodidina ny fifidianana. Nikarakara dinika narahina adi-hevitra ny ekipan’ny PEV Madagasikara ny 13 aprily 2018 tao amin’ny faritra Haute Matsiatra. Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra ny filohan’ny komitim-pifidianana, eo anivon’ny faritany Fianarantsoa, ramatoa Ranjarisoa Arline, ny tomponandraikitry ny serasera an’ny antoko politika HVM, RASOAMIARAMANANA Heritiana, ny sekretera jeneralin’ny antoko MAPAR, ANDRIATSILAVO Richard ary ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny oniversite Fianarantsoa, ANDRIANIRINA Mamy Auguste. Tanjon’ny adi-hevitra ny fampitomboana ny fifamatorana eo amin’ireo mpiantsehatra tsy mitovy firehan-kevitra ho antoky ny filaminana sy hisian’ny fifidianana hanjakan’ny fitoniana. Mpiasam-panjakana, mpanao politika, tompanandraikitry ny fiarahamonim-pirenena, tomponandraikitra eo anivon’ny haino aman-jery nandray anjara tamin’ny adi-hevitra. 90 ny fitambaran’izy ireo.

Tapaka ny fifandraisana

Voafehin’ny fifanarahan’ny « Cotonou » ny fifandraisan’ ny vondrona Eropeanina sy i Madagasikara. Miompana amin’ny lafiny ara-politika, ara-toekarena ary ara-barotra ireo fanampiana ho fampandrosoana ataon’izy ireo. Noho ny fanonganam-panjakana sy nialan’ny filoha teo aloha Marc RAVALOMANANANA ny 17 Martsa 2009, izay tsy nanaraka ny andininy faha-9 amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny vondrona eropeanina sy Afrique Caraibe Pacifique (UE-ACP) ny 6 jona 2010. Noho izany, naato ny fanampiana an’i Madagasikara .  Tsy nitsahatra kosa anefa ny teo amin’ny lafiny maha-olona sy ny vonjy rano vaky.
Ankoatra ny lafiny politika, manampy ny fiarahamonim-pirenena sy ny ONG misehatra amin’ny sosialy ny vondrona eropeanina. Isaky ny enim-bolana mihaona ny vondrona Eropeanina sy ny tomponandraikim-panjakana Malagasy hanaovana tombana amin’ny lafiny isan-karazany, toy ny fahamarinan-toerana ny fanjakana, ny fandriam-pahalemana, ny demokrasia…

Nirina R.


One comment on “TETIKASA PEV : Fifidianana hanjakan’ny filaminana

  1. Pingback: TETIKASA PEV : Fifidianana hanjakan’ny filaminana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *