Socio-eco

TETIKASA PAPAM: Mikendry ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo sy ny fidiram-bolan’ny tantsaha


Tombontsoa azon’ireo tantsaha. Hita ao amin’ny saha sekoly ho an’ny tantsaha ao amin’ny fokontany Iandraina, kaominina Vohimasy distrikan’i Farafarangana ireo  kazarana teknika fampiasa amin’ny “agro-écologie” na fambolena maharitra iatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. TETIKASA PAPAM - GSDM 2Nandritra ny andro natokana ho an’ny “agro-écologie” na “journées agro-écologiques”  ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana, nokarakarain’ny GSDM ny  25 sy ny 26 novambra 2020 dia nisy ny fitsidihana io saha sekoly io. “Natao ho enti-mampianatra ny tantsaha ny fomba fambolena maharitra toy ny ala vadim-boly, ny voly rakotra, ny fanatsarana ny fiompiana ity saha sekoly ity”, hoy ny tale mpanatanteraky ny GSDM, Rakotondramanana. Tanin’ireo tantsaha ao amin’ny fikambanana Te-Handroso no nampiharana izany ary vokatry ny tetikasa PAPAM, vatsian’ny AFD vola no nahafahan’izy ireo nisitraka izany. Araka ny fanazavan-dRakotondramanana fa efa-taona ny faharetan’ny tetikasa. “Tokony efa hifarana  satria nanomboka tamin’ny 2016 saingy noho ny valan’aretina coronavirus dia lasa misy taona fahadimy”, hoy izy.

TETIKASA PAPAM - GSDM 3

tomponandraikitry ny GSDM faritra Atsimo Atsinanana, Rakotoherimandimby Réné

 Nambaran’ny tomponandraikitry ny  GSDM faritra Atsimo Atsinanana, Rakotoherimandimby Réné fa  tetikasa mikendry ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo sy ny fidiram-bolan’ny tantsaha ny PAPAM. Miasa amin’ny faritra efatra: Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Vatovavy Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. “Andraikitry ny GSDM izay matihanina amin’ny “agro-écologie”, ao anatin’ity tetikasa ity ny fikarakarana fampiofanana isan-karazany toy ny fampiofanana ireo tantsaha modely sy tantsaha mpitarika ny fampiofanana ireo avy amin’ny sampandraharaham-panjakanana, ohatra ireo teknisianina avy ao amin’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ary ihany koa mitaona ny olona hitsidika ny saha sekoly modely ao amin’ny fokontany Iandraina Vohimasy”, hoy izy. Hita tao amin’ny saha sekoly ny  fampiarahana ny voly rakotra sy ny fanondrana, ohatra ny zava-maniry “arachis” mety amin’ny voly kafe, poivre sy vanille. Ny voly rakotra stylosanthès afaka ampiarahana amin’ny voly jirofo. Ny haninkotrana toy ny mangahazo na kazaha, voamanga na bokala, oviala , nohatsaraina tamin’ny alalan’ny teknika fambolena agro-écologie”  voly an-davaka na basket compost. Tombontsoa azon’ny tantsaha tamin’ny fampiasana ny teknika ny fiakaran’ny vokatra, mihena ny maitso ahitra, mitombo ny fidiram-bola, mihatsara ny tsiron’ny tany ary amin’ny toerana iray dia afaka ivelomana fa tsy voatery miovaova vohitra na manao tavy.

Lynda A.


One comment on “TETIKASA PAPAM: Mikendry ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo sy ny fidiram-bolan’ny tantsaha

  1. Pingback: TETIKASA PAPAM: Mikendry ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo sy ny fidiram-bolan’ny tantsaha - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *