Socio-eco

TETIKASA MANITATRA 2 : Ny fambolena maharitra miaro ny tontolo iainana


Kaominina 17 ao amin’ny faritra Vakinankaratra afovoany sy tapany Andrefana no hisitraka ny fitohizan’ny tetikasa Manitatra voalohany. Natomboka tamin’ny alalan’ny atrikasa ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa Manitatra faharoa. Omaly 15 novambra 2018 tao amin’ny « résidence sociale Antsirabe » no nanatanterahana izany. Miantsoroka ny tetikasa ny vondrom-pikambanana GSDM, matihanina amin’ny fomba fambolena maharitra (agro-écologie) ary ny famatsiam-bola avy amin’ny COMESA tamin’ny alalan’ny tahirim-bolan’ny vondrona eraopeanina no ahafahany manatanteraka izany ao anatin’ny telo taona. Mitentina 787.000 euros ny vola ho ampiasaina, hoy ny tale mpanatanteraky ny GSDM, Rakotondramana nandritra ny atrikasa notontosaina teto Antsirabe.
Fampiakarana ny tahan’ny vokatra sy fiarovana ny tontolo iainana ary fiantohana ny fahampian-tsakafo. Io no tanjona amin’ny tetikasa Manitatra 2. Tantsaha 15.000 no hahazo toro-lalana momba ny teknikam-pambolena maharitra. Ao anatin’ity teknika ity ny fambolena hazo fihinam-boa sy hazo haingam-pitombo toy ny “acacia” mba hamerenana ny tsiron’ny tany sy hiarovana ny tany tsy ho kaohan’ny riaka. Eo ihany koa ny fampiasana ny voly rakotra izay mamerina amin’ny laonin’ny tsiron’ny tany. Zana-kazo miisa 1.500.000 no hambolena ao anatin’ny telo taona. 50.000 kosa ny hazo fihinam-boa.
Tafiditra ao anatin’ny Manitatra 2 ny fampitomboana ny voly vary an-tanety ka velaran-tany 2.000 hektara eo no hampiasaina amin’izany. Ho an’ny kaominina Ambatolampy ambonivohitra, nahatratra dimy taonina isaky ny hektara ny vokatra azo tamin’ny tetikasa manitatra voalohany. Ankoatra izany, tantsaha mpamokatra 300 isa homena tohana ara-teknika amin’ny fanatsarana ny famokarana ny zezi-pahitra sy ny fahatsaran’ny kalitaon’ny ronono vokarina. Hampiroboroboana ihany koa ny fiompiana trondro eny an-tanimbary sy ny famokarana ronono. Tsy mijanona amin’ny fanampiana tosika ara-teknika sy ara-pitaovana ny tantsaha ihany ny GSDM fa mampianatra ny ankizy hatrany any an-tsekoly ihany koa. Ankoatra ireo sekoly enina tamin’ny tetikasa Manitatra voalohny, niampy enina indray ireo sekoly mahazo tombontsoa amin’ny tetikasa Manitatra 2. Mpianatra ao amin’ny kilasy faha-enina sy faha-dimy miisa 2000 ho ampianarina ny fomba fambolena maharitra (agro-écologie). Marihina fa teknisianina dimy no hanofana tantsaha 50 ka izy ireo indray no hampiofana ireo tantsaha namany.

Lynda A/ Nirina R.

Horonan-tsary


One comment on “TETIKASA MANITATRA 2 : Ny fambolena maharitra miaro ny tontolo iainana

  1. Rado Rabemanantsoa

    Miarahaba tompoko! Mba hanontany, mety misy masomboly oh! Concombre haingampitombo 48 jours reny ve ao aminareo na ovy sns , za aty Maurice no mpetrak de saika reny voly haingana sady vola haingana ireny no malaza aty . Misaotra tompoko

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *