Socio-eco

TELMA: Mividy finday iray, namany mamboly hazo iray


Tsy vitan’ny indray andro ny fambolen-kazo. Loharanon’ny fahalotoan’ny rivotra i Antananarivo ka mila ala hisintona izany manodidina ny renivohitra”, hoy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy,  Baomiavotse Vahinala Raharinirina. Ho fanatanterahana ny vinan’ny fitondram-panjakana, ho rakotr’ala i Madagasikara dia miara-miasa akaiky amin’ny ministeran’ny tontolo iainana ny orinasa Telma ary Bôndy. Ho an’ny taom-pambolen-kazo 2020-2021 dia zana-kazo 50.000 no ho volena amin’ny tany mirefy 35 hektara any Andranomasina.

Ny orinasa Bôndy no hiandraikitra ny fambolena izany sy ny fanarahamaso  amin’ny alalan’ny fiarahamiasa amin’ireo tantsaha. Ho fanatrarana io tanjona dia “nametraka ny orinasa Telma fa isaky ny finday iray lafon’ny Telma dia hazo iray no voavoly”, ho tomponandraikitry ny serasera, Ramiandrisoa Liana. Nambaran’ny ADG an’ny Telma, Patrick-Pisal Hamida fa laharam-pamehana ho an’ny orinasa  ny tontolo iainana. “Ho fampihenana ny vokatra aterak’ireo foto-drafitrasanay dia sites 500 no mandeha amin’ny herin’ny masoandro”, hoy izy. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny orinasa Bôndy dia toerana efa hiasan’ny orinasa any Andramasina ary mba hisian’ny fanarahamaso, fiantraikany ara-tsosialy sy ara-toekarena  amin’ny mponina ary hisorohana ny fanapahana  ny ala sisa tavela no anton’ izao fiarahamiasa izao. Nanamafy ny ministry ny tontolo iainana fa fambolen-kazo eny ifotony ary ilaina no tanjona mba hamaly ny filàn’ny mponina. “Ohatra 92 % ny Malagasy mampiasa saribao”, hoy izy.  Laharam-pamehana ihany koa ny fambolena hazo iadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Nambarany fa “manomboka mandray andraikitra ny sehatra tsy miankina ary tsy vitan’ny indray andro ny fambolen-kazo  fa ilaina ny manara-maso azy manomboka any amin’ny tanin-janakazo ka hatrany amin’ny fitomboany”.

Nirina R.


One comment on “TELMA: Mividy finday iray, namany mamboly hazo iray

  1. Pingback: TELMA: Mividy finday iray, namany mamboly hazo iray - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *