Socio-eco

Taombaovaon’ny MATAFA: Nananika ny avo ny tantsambo tranainy


Tsy dia vaovao eo amin-dry zareo Malagasy Tantsambo Fahiny (MATAFA) ny mihaona fa mateti-piseho, angamba tsy manitatra raha hilaza fa inefatra na mety ho indimy isan-taona aza. Azo hanazavana izany ny fananany fotoana malalaka satria efa misotroronono ny ankamaroany. Ny sasantsasany no mbola misahana andraikitra hafa eto amin’ny firenena, na amina orinasa sy tetikasa samihafa. Mifandimby mandray izany ny MATAFA tsirairay. Ny hoe MATAFA dia azo hanagasiana ny teny frantsay hoe Mataf, na miaramilan’ny tafika an-dranomasina.

Teny Andafiavaratra, Haute Ville, tokantranon-dRazaka Oliva (King-Kong) no nanaovana ny fihaonana tamin’iny Febroary 2018 iny. Noararaotina tamin’izany ny fifampiarahabana taombaovao, ka nifanolorana ny firariantsoa. Nalalaka ny toerana na ho an’izay te hipetrapetraka tao an’trano na izay nisafidy ny hijanonjanona eny an-tokotany. Ny orana rahateo tsy avy ka tsy nisy nanano sarotra.

Look’s.

Dia toy ireny mpinamana rehetra mihaona ireny: miara-falifaly, mihomehy, mifampatsiahy ny niainana taloha, indrindra fa ireo mahatsikaiky, misangisangy, sns. Tsy latsa-danja tamin’izany ny sakafo naroson’ny tompon-trano. Ankoatran’ny tsakitsaky mahazatra: saosisy, nem, sambos, masikita sy ny zava-mamy maro samihafa, dia tao koa ny vary. Ny sakafo ve? Aoka fotsiny, tao aloha ny vary, fa ny laoka: akoho romazava narahina vorovoron-kena sy henakisoa, niampy look’s. Tena laoka gasy, izay tsy nilela-tanana dia mandainga.

Fa izay tena nampiavaka ity fihaonana ity dia tafaraka tao koa ny miaramila an’habakabaka (Avià), an-tanety (Biffin) ary ny zandary (Bodek). Tao koa aza ny zaza am-behivavy, nisy mpanao gazety ary nahitana mpiasa amin’ny televiziona, ka nahasondriana ny nahita izato fiarahana maro loko.

Nandritra ny lahateny nifandimbiasana no nanehoana fa maro tamin’ny MATAFA no lasa olomanga teto amin’ny firenena, ankoatra ireo manamboninahitra ambony nivoaka ny Ecole Navale de Brest talohan’ny fahaleovantena, ka nandray andraikitra politika ambony teto amin’ny Firenena. Ny Matafs kosa, izay nanomboka “équipage” avokoa, dia maro no nisondrotra ho manamboninahitra ambony. Nisy koa rehefa lasa sivily (la quille) no voatendry Minisitra toan’i Toussaint Afnatos na Jean Claude Raherimanjato (dit J-C Vandamme efa nodimandry). Matafs roa lahy kosa no tafiditra laharan’ny Experts judiciaries ao amin’ny CAREA. Manamboninahitra ambony mbola am-perinasa no major de promotion CEDS farany teo dia ny Amiral Rakotoarisoa Marie Jean Lucien SG MinDef. Iray kosa mpikambana ao amin’ny CFM.

Ravelonjatovo Zafimanantsoa René Lala, na Zanadambo (fiantsoana talohan’ny 1972 izany), Mataf lasa Bodek, no hampandroso ny fihaonana manaraka.

Léa Fanihia


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *