Socio-eco

TAOMBAOVAO MALAGASY: Natao hankalazaina amin’ny fararano


Vanim-potoana ny fandresena ny fararano. “Resy ny rivo-doza, mitsahatra ny rano be, miakatra ny vary ary matavy ny omby amin’io fotoana io. Mifanitsy amin’ny vanim-potoana ny fararano ihany koa ny volana tsinana sy ny antoko kintana alahamady”. Izany indrindra no antony hankalazaina ny taombaovao Malagasy amin’ny vanim-potoanan’ny fararano. Noho izany, ny 5 sy ny 6 aprily  2019 no hankalazaina ny taombaovao malagasy amin’ity taona ity, hoy ny komity mpikarakara ny taombaovao malagasy, Hasina Niombonana Razafindrakoto nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny 5 martsa 2019. Natao ho an’ny Malagasy tsy ankanavaka ny taombaovao malagasy. Samy manana ny fanao hankalazany azy ny tsirairay fa ny fidiovana sy fifampiarahabana ary ny tso-drano no fomba iraisana.

 Maro ny toerana hankalazana ny taombaovao malagasy  fa toy izao ny fandaharam-potoana ho tanterahina eny amin’ny vohitra Ambohitrabiby ny 5 aprily 2019: fandrehetana ny “afotsimaty” amin’ny 1 ora tolakandro, fifaninana vako-drazana avy amin’ny fokontany 14 amin’ny 4 ora, harendrina amin’ny 6 ora sy sasany hariva, totorebiky ny taombaovao malagasy hiarovana ny afo mba hitahirizana ny hafanana sy ny hazavana hahatratrarana ny taona vaovao manomboka amin’ny  8 ora alina mandra-maraina ny andro. Ny 6 aprily 2019 kosa ny fankalazana ny taombaovao malagasy amin’ny fomba manetriketrika. Ho hita mandritra io fotoana io ny fafy rano, ny tatao (fihinanana vary amin’ny ronono tondrahan-tantely), ny fanateran-kasina, ny zara hasina. Mariky ny fifamelana, fivalozana, fandroana, fotoam-panalana ny ratsy rehetra ny fidiovana.  Fanohizana ny hazana sy ny hafanana avy amin’ny taona lasa mankany amin’ny taona vaovao kosa ny “afotsimaty”. Fomba atao mba hahatanteraka izay faniriana tsara ao anaty ny tso-drano. Natao ho firariana ny fitohizam-pahavelomana ny santatra (vary, ronono, tantely.

Nomarihin’i Hasina Niombonana Razafindrakoto fa ny trano koltoraly no namorona ny taombaovao taorian’ny fandinihana ny taombaovao manerana ny faritra eto Madagasikara. Natao hankalazaina amin’ny fararano mialohan’ny fahataperan’ny fahavaratra izany fa tsy amin’ny andro hafa.  “Raha ny lovan-tsofina tao Ambohitrabiby dia ny fararano no tena tsinana ny Alahamady fa nisy nanova izany taty aoriana”.

Lynda A.


One comment on “TAOMBAOVAO MALAGASY: Natao hankalazaina amin’ny fararano

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *