Faits-divers

TAOMBAOVAO MALAGASY : Nahazo fanasana ny CFM


Nomarihina tamin’ny fomba manetriketrika ny «  Taombaovao Malagasy 2021 Fidiovam-Pirenena (13-14 martsa) » teo ambany fiahian’ny Andriana RANJEVA Raymond, Andriambenimerina, mpitarika ny Antenimieran’ny Andriana Merina AAM, ny Printsy Rina TELESPHORE, Atoa RANDRIANJATOVO Henri, Filohan’ny Trano Kolotoraly Malagasy, ary ny Fikambanana Taranaka Ambohidrabiby, tarihin’ny Filohany ny Andriana ANDRIAMBOLOLO-NIVO Rabetrano.

Nahazo fanasana ofisialy hanatrika io fankalazana io ny CFM. Nirahina hamaly izany fanasana izany Atoa isany MAKA Alphonse, Filohan’ny CFM, sy RAZAKA Oliva Mpanolotsaina faritra Analamanga. Tontosa ny sabotsy 13 martsa ny fomba amam-panao malagasy dia ny « AFO TSY MATY » sy ny « ANDRO TSY MATY ». Tontosa nandritra izany ny Dobodobok’aponga sy feon’anjomara ; fandrehetana ny AFO TSY MATY ; hiragasy sy lalao isan-karazany ; harendrina ; safo rano (fandroana) ; loabary an-dasy ; ary tsinjaka mandoaka ny alina.

Omby volavita.

Ny Alahady tamin’ny 10 ora no nifamotoana teo amin’ny kianjan’ny Rovan’Ambohidrabiby ny solontenan’ny vahoaka malagasy sy ny irak’Andriana rehetra avy amin’ny lafivalon’ny nosy. Tazana teny koa ny solontena Silamo. Natomboka tamin’ny « Sorona omby » sy « Fafy rano », tarihina sy tanterahan’Antehiroka izany. Ny Mpitandrina FJKM Ambohidrabiby no nanao tonom-bavaka. Taorian’izany vao niroso tamin’ny kabary sy lahateny samihafa nelanelanin’ny seho ara-javakanto nampitolagaga ny rehetra nanatrika.

Fihavanana.

Niangaviana am-panajana handray anjara fitenenana ny CFM, ka niroso tamin’izany ny solontena miralahalahy notarihin’ny Filohan’ny CFM. Kabary fohy nefa mafonja no nalahatry ny Filoha MAKA Alphonse, koa rehefa vita ny fifanatsafana noho ny taombaovao malagasy sy ny fisaorana ny mpanasa dia ireto teboka treo manaraka ireto no notsindriany :

  • Fanomezana hasina ny soatoavina sy kolontsaina malagasy izay hafa noho ny an’ny rehetra erantany (endémique), tsy hatakalo tsy hamidy vola.
  • Fitandroana ny firaisankinam-pirenena, izay mihamarefo ary misy miezaka manakorontana avy any ivelany sy eto an-toerana.
  • Fandrosoana tolokevitra avy amin’ny CFM hanaovana ny Fihavanana malagasy ho isan’ny harentsaina tsy azo tsapain-tanana UNESCO, ho fanampin’ny haitao zafimaniry.

Nankasitraka.

Naneho imaso ny fifaliany ny rehetra ary nampita ny fankasitrahany io teboka fahatelo farany io tamin’ny Mpanolotsaina Analamanga ny Profesora RANJEVA Raymond, Filohan’ny Akademia Malagasy, sy ny Profesora ANDRIAMBOLOLO-NIVO Rabetrano,  Filohan’ny Fikambanana Taranaka Ambohidrabiby. Nanindry tamin’ny kabary nataony koa ny Andriana merina fa ny toetsaina no maha Andriana, ka ny teny faneva nofidiany ho amin’izany dia ny hoe « DIAKONA » ny Andriana, izany hoe « Mpanompo ». Ka manompo vahoaka fa tsy manavakavaka na iza na iza ny Antenimieran’ny Andriana Merina.

Nitohy tamin’ny « Tatao » (vary amin-dronono tondrahan-tantely), sy fanateran-kasina (rakitra manodidina) ary « Zara-hasina » (fizarana salohim-bary) ny lanonana. Nisy fiaraha-miala hetaheta sy hiragasy teny anelanelam-potoana ary nofaranana tamin’ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana izany.

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *