Socio-eco

TAOMBAOVAO MALAGASY: Mitondra soa ho an’ny tokantrano sy ny firenena


Eny amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina ny fikambanana Malagasy Iray Hasina (MAIHA) no hankalaza ny taombaovao malagasy ny 4 sy ny 5 aprily 2019. Ny fidiovana sy ny tso-drano no fototra lehibe ijoroan’ity fomba malagasy, araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny fikambanana MAIHA, Randriamihanta Victorio nandritra ny fanokafana ny velatseho fampahanfantarana ny fomban-drazana malagasy, ny fomba fototry ny taombaovao malagasy ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Ao anatin’ny fanamarihana ny taombaovao malagasy ihany koa ity hetsika ity izay nanomboka ny 3 aprily ary hifarana ny 6 aprily 2019. Nambaran’i Randriamihanta Victorio  fa ilaina ny fidiovana mialohan’ny taombaovao. Tapitra ny fidiovan’i Madagasikara tamin’ny fomba ara-boajanahary nandritra fotoam-pahavaratra dia anjaran’ny Malagasy indray no midio. Amin’izay fotoana izay dia mirindra ny Malagasy sy i Madagasikara ary  tafita ho azy ny firenena, hoy izy. Nanamafy ihany koa ity filohan’ny MAIHA ity fa ny kolontsaina ihany no lalan-tokana hivoahan’ny firenena iray amin’ny maha izy azy ka anisan’izany ny taombaovao malagasy.

Fandaharam-potoana

Hotanterahina ny 4 aprily 2019 eny amin’ny kianjan’ny kanto Mahamasina  ny fidiovana amin’ny alalan’ny afo na tselatr’afo. “Alohan’ny idirana amin’ny fotoana vaovao dia mila mandingana afo”. Hisy ihany koa ny fizarana ny afotsimaty manomboka amin’ny 2 ora ho an’ireo resy lahatra te  hanazava sy ny hanafana ny tokantrano mba tsy idiran’ny aizina amin’ny taombaovao sy mandritra ny taona. Ny faha-5 ny volana aprily 2019 ny taombaovao. Nambaran-dRandriamihanta Victorio fa tsy mety amin’ny malagasy ny  “mamono volana an-trano” satria maty  ny volana amin’ny 11 ora maraina ka maty ao an-tranontsika ny hazavana. Izay no tsy hanaovana ny afotsimaty ny 5 aprily. Tsy mety intsony raha maty volana izay vao handrehitra afotsimaty. Ny taombaovao amin’ny 4 maraina ny mamoa mandry. Amin’io fotoana io no hanaovana dinidinika momba fomban-drazana malagasy. Amin’ny 5 ora sasany kosa ny tso-drano izay ataon’ny mpanjakan’ny Antemoro Anakara ary amin’ny enina ora ny santatra ny vary amin-dronono tondrahan-tantely. “Manasa ny rehetra ho avy fa tsy anay ny taombaovao malagasy fa ho an’ny rehetra. Fiarahana mamantatra sy mamerin-kasina ny fomba amam-panao malagasy io fotoana io”.  Tao anatin’izay 20 taona namohazana ity taombaovao malagasy ity dia mbola tsy nisy ministera maha sahy miditra lalina sy ny manadihady ny taombaovao malagasy sy ny soa entiny ho an’ny firenena.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *