Socio-eco

TAOMBAOVAO IRAISAN’NY MALAGASY: Daty raikitra ny 22 septambra


“Hanova zavatra maro eto amin’ny tantaram-pirenena ny fankatoavantsika vahoaka Malagasy rehetra io vanim-potoana iraisana io satria hamerina indray ny firaisankinam-pirenena izay hanamora ny fampihavanana sy ny fampandrosoana”, hoy ny MAMAFI (Malagasy Mampiray Firenena), komity mpikarakara ny taombaovao malagasy na KMTM. Nampahafantarina ny 02 septambra 2019 teny amin’ny IKM Antsahavola ny fandaharam-potoana momba ny fankalazana ny “taombaovao iraisan’ny Malagasy”. Tapaka tamin’ny fivorian’ireo ray aman-dreny ara-drazana  tamin’ny andiany faharoa, natao tany Fianarantsoa ny taona 2018 fa atao daty tokana, tsy miovaova  isan-taona ny ivon’ny fankalazana dia ny 22 septambra.  Ho tetezina  avokoa ny faritra rehetra eto Madagasikara hanatanterahana ny ivon’ny fankalazana. Any Toamasina, renivohitry ny foko Betsimisaraka no hanatontosaina ny andiany fahatelo, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny MAMAFI, Zakariasy Patrick nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety androany maraina. Hanomboka ny 20 septambra izany ary tsy hifarana raha tsy ny 22 septambra 2019.

Nambaran’i Filohan’ny MAMAFI fa izany taombaovao iraisan’ny Malagasy izany dia tsy hanavahana foko sy fiaviana ary finoana. Noho izany, “tsy manakana velively ny fankalazana ny taombaovao misy isam-poko na isam-paritra amin’ny vanim-potoana izay mampety azy”, hoy izy. Araka ny fanazavany hatrany dia ny lohataona no mamaritra ny iraisan’ny foko 22 eto Madagasikara mba hankalazana ny “taombaovao  malagasy” izay entina indray hanandratana avo ny firaisankinan’ireo  fokom-pirenena malagasy.   Nilaza ihany koa izy fa lanieran’ny be sy ny maro izay nanao zaika be tao amin’ny ministeran’ny kolontsaina ny taona 2017 fa ny vanim-potoanan’ny lohataona dia tsy azo hiadian-kevitra fa iraisan’ny Malagasy fa iandohan’ny hazavana  ety amin’ny ilabolatany atsimo ary mamohamandry indray ny natiora rehetra.

Lynda A.


One comment on “TAOMBAOVAO IRAISAN’NY MALAGASY: Daty raikitra ny 22 septambra

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *