Socio-eco

TAOM-BAOVAO MALAGASY : Tsy manavaka finoana na fiaviana.


Tanterahana eny amin’ny ivon’i Madagasikara ny taom-baovao Malagasy FENOHASINA iraisan’ireo ray aman-dreny mitana ny hasina. Hanaomboka rahampitso 17 ka hatramin’ny 19 Martsa 2018 izany. Eny amin’ny Rovan’AMBONIAZY Andriambahoaka Afovoan’ny tany, kaominina Manazary , fokontany Anaritroa Sahapetraka no fotoana amin’io telo andro io. Tao alohan’izao fanampahan-kevitra izao, nitsidika teny ireo ray aman-dreny mitana ny Hasina ka resy lahatra fa manana ny hasiny io toerana io sady mahafinaritra.

Ireto avy izy ireo :  Katibo Antemoro Anakara laban’i Bela : Andriamatoa Emmanuel, ny ray aman-dreny mitana ny Hasin’ny any atsimo : Dimby Baovolo Chantal, Tangalamena Betsimisaraka : Raymond Josoa, Loholon’ny trano kolotoraly : Rakotomalala Louis de Conzague, Printsy Antanala : Rakoto Jaona, Loholon’ny trano kolotoraly avy any Antsihanaka : Rabearifeno Albert.

Tsy manavaka finoana na fivavahana na fiaviana ny taom-baovao Malagasy, hoy Mbola Tina RAMAMONJISOA , filoha nasionaly FITOHASINA sady mitana ny Ivon’i Madagasikara, rova Andriambahoaka afovoantany, Andrianafovaratra. Raha ny fanazavany, io toerana io no ivon’ i Madagasikara sady feno Hasina. Vory hasina ireo Ray aman-dreny eran’ny faritany ireo amin’ity taom-baovao Malagasy ity.

Marihana fa ny taom-baovao Malagasy, lamina ara-boajanahary , Andriamanitra no nanao azy ka isika olombelona manatanteraka azy.  Ny andro anaovana ny taom-baovao Malagasy, andro fiakaran’ny vokatra ( volana martsa sy Aprily), tsinam-bolana alohan’ny Paka na tapa-bolana mialoha ny paka. Fotoana fifamelan-keloka sy fidiovana io fotoana io.

Toy izao ny fandaharam-potoana :

17 Martsa 2018 : fanaovana ny afo tsy maty izay mitohy mandra-maraina miaraka amin’ny totorebika.

18 Martsa 2018 : fanomezan-kasina sy tso-drano ataon’ireo ray aman-dreny.

19 Martsa 2018 : famonoana omby mazava loha sy volavita

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *