Socio-eco

TAOM-BAOVAO MALAGASY: Hisehoany ny fomba filanonana


Eny amin’ny kianjan’i Mahamasina ny « Hadivory Fitososona » no hanamarika ny taom-baovao Malagasy . Mialohan’ny taom-baovao 18 martsa 2018, hisy ny fiandrasana ny taona vaovao ny alin’ny 17 martsa 2018. “Ho marihina amin’ny alalan’ny filalaovana arendrina manodidina ny kianjan’i Mahamasina izany”, hoy Rakoto Davida. Rehefa migadona ny taona vaovao, hitso-drano ny zanaka ireo ray aman-dreny, arahina fihinana vary tondrahan-dronono amin-tantely ny fety. Hanafana ny lanonana ireo mpanakanto mandala ny kolontsaina maha Malagasy toy an’i Sammy, Nantenaina, Levelo, Tambohobe, Ifanihy, Voninavoko…

Alina miavaka

Ankoatra ny fikambanan’ny mpanankanto mandala ny kolontsaina maha Malagasy, mivondrona ao main’ny “Hadivory Fitososona” ihany koa ny fikambanana famato, ny fikambanana havia sy havanana, ny fikambanan’ny mpianatra ambaratonga ambony…Ho faranana amin’ny alim-pandihizana ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy. Eny amin’ny “Espace Nambinintsoa” Talatamaty , amin’ny 23 martsa 2018 no hanatanterahina izany. Fotoana hampisehoana ireo karazana fitafy, taovolo, sakafo mampiavaka ny Malagasy ity fety ity. “Hira gasy ranoray no hanafanana ny lanonana mandram-parain’ny andro. Hampihanoka ny mpilanonana ny sakafo hanim-pitoloha izay mampiavaka ny Malagasy izahay amin’io fotoana io ”, hoy ny tomponandraikitry ny “Espace Nambinintsoa”, Rado RAZAFINDRATSIMBA.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *