Socio-eco

TAOM-BAOVAO MALAGASY 2018: “Ala faditra”


Lamina ara-boajanahary ny taom-baovao Malagasy. Tapa-bolana alohan’ny fetin’ny paka no tena hankalazana azy. Vondron’olona efatra samihafa samy mikarakara ity fety ity. Ny 17 sy ny 18 martsa 2018 no daty hanatanterahana izany ho an’ny mpikarakara ny “taom-baovao Malagasy, tsy manavaka finoana na fihaviana”. Ny alin’ny 17 ny volana Martsa 2018 no tsinana ny volana ka io no hanaovana ny « afotsimaty ». “Fotoana hilalaovana arendrina io alina. Andro iray na ora vitsivitsy mialoha io fomba io no hanaovana fifamelana raha toa ka misy olana na disadisa teo amin’ny tokantrano, fianakaviana, fiarahamonina”, hoy ny Mpitana ny hasin’ny rova Andriambahoaka afovoan-tany, Mbola Tina Ramamonjisoa, nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety. Andro fidiovana ihany koa ny iray andro alohan’ny taom-baovao Malagasy. “Midio amin’ny alalan’ny rano na mandro ny tsirairay mba ho lasa amin’izay ny ratsy rehetra ». Ireo endrika ireo dia endrikin’ny fanadiovana “Ala faditra” na alana izay zavatra ratsy rehetra mifandiditra sy mangeja ny vahoaka sy ny firenena.
Ara-panandroana, andro voalohany amin’ny amin’ny taona ny Alahamady na Taom-baovao Malagasy. Fotoana fiakaran’ny vokatra ao an-tanana . Andro firavoravoana ny 18 Martsa 2018. Amin’io fotoana io no hitsofan’ny ray aman-dreny rano ny zanaka. Vao mangiran-dratsy, maka rano any an-dohasaha ka io rano io no hanaovana fitsofan-drano. Vary amin-dronono tondrahan-tantely no hohanina. Faranana amin’ny fifanoloran’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ny salohim-bary sy nofon-kena mitam-pihavanana izany.
Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *