Socio-eco

TANY HIORENAN’NY CEG AMBOHITRIMANJAKA: Tsy hatahorana ho alain’olon-tsotra


Nankalaza ny faha-40 taonany ny CEG Ambohitrimanjaka ny 5 martsa 2019. Nizara roa lehibe ny lanonam-pankalazana: fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana nomerika avy amin’ny fikambanana Orange Solidarité sy ny fanolorana mari-boninahitra ireo mpampianatra  miisa 10. Sekoly faha-99  nisitraka ny tetikasa fanabeazana nomerika iantsorohan’ny Orange Solidarité ny CEG Ambohitrimanjaka. Ny filohan’ny fikambanana, Josie Randriambeloma mihitsy no tonga nanolotra ireo fitaovana enti- mampianatra toy ny tablettes miisa 50 miampy serveurs raspberry roa izay ahitana ny fandaharam-pianaran’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy boky miisa 4500, vidéo projecteur sy ny maro tsy voatanisa. “Ho fanatsarana kalitaon’ny fampianarana, hahaizan’ny mpianatra mifehy ny teknolojia no tanjon’ity fandaharan’asa ity”, hoy i Josie Randriambeloma nandritra ny fandraisam-pitenenany.

Tsy atahorana ho alain’olon-tsotra ny tany hiorenan’ny CEG Ambohitrimanjaka. Mba ho fiarovana ireo foto-drafitr’asam-panjakana dia natolotry ny kaominina an’ny ministera fanabeazam-pirenena ny tany misy ny CEG. “Any aoriana any sao miorina ambonin’ny tanin’olona ny CEG na ho lasan’olon-kafa ny tany. Tsy ho ela intsony dia hisoratra amin’ny ministera ny tany”, hoy ny ben’ny tànana ny kaominina ambanivohitra Ambohitrimanjaka, Mino Mbolatiana Rabemihoatra. Mirefy iray hektara mahery  (1ha 52a 40 ca) io tany io, araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly, Estera Rasoarimalala. Nampahafantarin’ity talen-tsekoly ity nandritra lanonana fankalazana ny faha-40 taonan’ny CEG Amhohitrimanjaka fa nanao fangatahana tany amin’ny prezidansa sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny CEG mba hanamboarana foto-drafitr’asa fanampiny toy ny efitrano satria tsy ampy ho an’ny mpianatra ny efa misy ankehitriny. Ankoatr’izany, nampanantena ny  ben’ny tànana Mino Mbolatiana Rabemihoatra fa hanampy amin’ny fanamboarana ny toeram-pivoahan’ny mpianatra izay simba be amin’izao fotoana izao. Vina ho an’ny CEG Ambohitrimanjaka amin’ity taona ity ihany koa ny fanamboarana “complexe sportif”.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *