Socio-eco

Tanàna Zoari : Mandray hetsika isan-karazany


Miroborobo fatratra ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny fandraisana lanonana isan-karazany eto amintsika. Miezaka manao izay hampiavaka azy izy ireny ary manome ny mpanjifa ny zavatra ilaina rehetra momba izany ka tsy mitady any ivelany intsony. Miavaka ny « tanàna Zoari » etsy Ilafy satria ahitana dobo filomanosana manara-penitra mahazaka mpilomano 45 sy hefi-trano malalaka azo andraisana fivoriana isan-karazany, lanonana isan-karazany izay mahazaka olona 250 ka hatramin’ny 300. Raha ny momban’ny dobo filomanosana manokana dia misokatra ny Alarobia ka hatramin’ny Alahady amin’ny 9 ora sasany ka hatramin’ny 5 ora hariva. Azo atao ihany koa anefa ny manofa manokana ho an’ny fikambanana na fianakaviana io dobo filomanosana io, hoy ny mpitantana ny « tanàna Zoari », RANDRIAMAMPIANINA Lalatiana. Mahandro sakafo ho an’ireo mpilomano ihany koa izy ireo raha mila izany ny mpanjifa ny dobo filomanosana. Ankoatra izay dia miara-miasa amin’ny Miritsoka production ny « tanàna Zoari » amin’ny zava-maneno sy ny fampandihizana ho an’ireo mampiasa ny hefi-trano malalaka. Azon’ny mpanjifa atao koa anefa ny mitondra mpahandro na zava-maneno raha izay no tiany.
Marihana fa tsy lavitra ny renivohitra ny misy ny « tanàna Zoari ». Ao amin’ny fokontany Ilafy no misy azy ka miala 150 metatra amin’ny tananan’Ilafy. Mirary ny saran’ny fampiasana ireo toerana roa ireo raha ny nambaran’ny mpitantana ity toerana ity hatrany.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *