Socio-eco

Tambajotran- tserasera facebook: Voahoso-potaka i Veloson RANDRIAMANANASY


Tsy vao izao no nisy ny fanalana baraka olona iray tamin’ny tambajotran-tserasera facebook. Nametraka fitoriana i Veloson RANDRIAMANANASY, PRMP noho ny fanosora-potaka sy fanalam-baraka natao taminy. Manantena ny asan’ny polisy mpanao famotorana sy ny fahendren’ny mpitsara izy.

Toy izao ny soratra navoakan’io olona io :

« Tatitra navoakan’ny #ARMP momba ny fandaniam-poana ataon’ny ministera isantsokajiny dia nilaza ny tompon’andraikitra ny #PRMP RANDRIAMANANASY Veloson fa ny antony nahatonga io tarehimarika ho lasa ambony be io dia baiko midina avy amin’ny fitondrana hvm ao ambony ihany. Izao no antony, ohatra nandritra ny kongresin’ny hvm tany Mahajanga tamin’ny novambra 2017 teo dia noterena handoha hatrany amin’ny 10 TAPITRISA ARIARY avokoa ny direction ministerialy isantokony. Ka aiza hoy izy ireo no ahitana vola be toy izany raha tsy ny fampiakarana avo zato heny ny tetibidin’ny fandaniana ?
Ny vahoaka moa dia mandoha hetra no mba hainy. »

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *