Socio-eco

TALE JENERALY VAOVAO NY ENMG : Veloma hatreo ry mpanao risoriso


Notanterahina ny 26 aprily 2019 ny fifamindram-pahefana teo amin’ny tale jeneralin’ny sekolim-pirenena manofana mpitsara sy mpirakidraharaha (ENMG), Rakotoarisoa Miandantsata Indriamanga sy ny mpandimby azy Ramarolahy Haingonirainy Anthony. Nanatrika izany ny avy ao amin’ny ministeran’ny fitsarana  izay nisoloan’ny sekretera jeneraly tena. Nampahafantatra ny vina ho tanterahiny mandritra ny fotoam-piasany ny tale jeneraly vaovao tamin’io fotoana io. Nomarihiny ity teknisiana ity fa  mifanaraka amin’ny politikam-panjakana amin’ny ankapobeny izany.

 Vina fohy ezaka ho tanterahina ny fananganana paikady vaovao momba ny fifaninanana hidirana ao amin’ny ENMG. « Mbola hisy ny fikaonan-doha hamolavolana izany satria be dia be pitsopitsony mila harenina », hoy izy. Nambarany fa olana goavana ao amin’ny sekoly ny fisian’ny “intervention” ataon’ny manam-pahefana isaky ny “concours” mba hampidirana mpianatra. Eo ihany koa ny kolikoly. Nilaza izy fa tsy handray vola na Ariary aza amin’ny fampidirana mpianatra ao amin’ny ENMG. Niteny ny mpiasa sahady izy nandritra ny famindram-pahefana fa tsy azo ampiasaina hanaovana kolikoly ny anarany. Mitaky fanovàna toe-tsaina miainga any amin’ny farany ambany ka hatrany ambony anefa izany, hoy izy. Azo atao ihany koa ny mandà ny “intervention”. Mitaky fiarovana amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny anefa izany mba tsy hanjakan’ny “lavan-tanana”, raha ny nambarany.

Vina antenantenany kasaina ho atao mandritra ny fotoam-piasany ihany koa ny fanohizana ny fitadiavana fiarahamiasa amin’ireo mpiara-miombona antoka. Mpikambana ao amin’ny SADC, COMESA, COI i Madagasikara. Ny ankamaroan’ireo firenena mikambana ao dia mampiasa ny teny anglisy ka sahirana ny mpitsara eto amintsika. Mikendry ny hampivelatra  ny fiarahamiasan’ny sekoly amin’ny firenena mampiasa ny teny anglisy ny tenany mba ahafahan’ireo mpampiofana hanamafy ny traikefany amin’ny lalàna anglisy (common law) sy mandefa ireo mpianatra sangany (major) hanao “stage”.

Vina lavitr’ezaka ho atomboka ny fananganana foto-drafitr’asa lehibe manara-penitra ho an’ny ENMG tahaka ireo sekoly ambony rehetra eto an-toerana sy any ivelany. Ho hita ao anatin’ny foto-drafitr’asa ny toerana fampiofanana, ny trano ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra, ny toerana fandraisam-bahiny ohatra rehefa misy mpampiofana avy ivelany, zaridaina, “parking”… Azo tanterahina tsara izany, tsy voatery ny fanjakana no hiantoka ny fanamboarana iray manontolo fa azo atao ny mitady fiarahamiasa, ny fiarahamientan’ny mpitsara, hetsika fitadiavam-bola sy ny maro hafa. Marihina fa  tao anatin’ny andiany voalohany nivoaka tao amin’ny ENMG ny tale jeneraly Ramarolahy Haingonirainy Anthony.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *