Socio-eco

TAHIRIM-BOLAM-PIRENENA: “Marin-toerana ny toe-karena Malagasy”


Nanao fanadihadiana momba ny firosoan’ny fandaharan’asa ara-toekaren’i Madagasikara tohanan’ny FEC ny sampandraharahan’ny tahirim-bolam-pirenena (FMI). 15 andro ny irakin’ny FMI izay notarihin’i Marshall Mills no nanao ny asa teto Madagasikara. Nanomboka nanao ny fanadihadiana ireo teknisianin’ny FMI ny 14 martsa ary nampita ny fehin-kevitra santatra tamin’ny mpanao gazety ny 28 martsa 2018. Araka ny fanambarana nataon’ny irakin’ny FMI, mizotra tsara ny fitomboan’ny hari-karena faoben’i Madagasikara tamin’ny taona 2017. 4,2 % ny antontan’isa nomen’ny filohan’ny iraka. « Mbola azo lazaina fa mety hatrany ny toe-draharaha ara-toe-karena eto Madagasikara raha tombanana amin’ny fitomboana maharitry ny harin-karena sy ny fahamarinan-toerana na dia teo aza ny voka-dratsin’ny rivo-doza sy ny hain-tany ary ny pesta », hoy i Marshall Mills. Noho izany, vinavinaina hiakatra 5% ny harin-karena faobe amin’ity taona 2018 ity raha mampihatra am-pahamalinana ny politika ara-bola izay manampy amin’ny fifehezana ny fisondrotry ny vidim-piainana. Nomarihin’ny mpamita iraka fa tsara amin’ny ankapobeny ny vokatra azo avy amin’ny fandaharan’asa tohanan’ny FEC. Tratra daholo ny fepetra ara-tarehimarika ho amin’ny faran’ny volana desambra.
Araka ny tsoa-kevitra, afaka mihevitra ny hiroso amin’ny fandalinana fahatelo ny fifanarahana FEC ny filankevim-pitantanan’ny FMI amin’ny volana jona ho avy izao. Marihina fa rafitra fampindram-bola mitondra fanohanana amin’ny fe-potoana sala na lavitr’ezaka izay miendrika fandaharan’asa rehefa mitranga mandritra ny fotoana ela ny olana eo amin’ny fifandanjan’ny vola sy ny entana, ny miditra sy ny mivoaka amin’ny firenena ny FEC.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *