Socio-eco

TAGNAMARO: Famohazana ny fifanampiana sy fikoloana ny fananana iombonana


Nifanojo tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ny tranombakoka ny hetsika “tagnamaro: andron’ny olom-pirenena”. Teny amin’ireo toerana manana tantara no nanatanterahin’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ny tagnamaro ny 18 mey 2019. Niara-nisalahy tamin’ny fanalàna ny lobolobo, nanadio nanomboka teo amin’ny Lapan’ny Andafiavaratra, nitohy teo amin’ny tribonalin’ny Ambatondrafandrana, ny lalana pavé miafara any Ambanidia izay mandalo eo Ambavahadimitafo ireo mpiasa rehetra avy amin’ny sampandraharaha mandrafitra ny minisitera. Nolokoina i Ambavahadimitafo ary notafoana ihany koa mba hiverina amin’ny endriny taloha. Toy ny mahazatra dia nolokoina ny atiny sy ivelany ny EPP Flacourt Ambavahadimitafo. Nambaran’ny minisitry serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Andriantongarivo Lalatiana fa lalan-tsainan’ny tagnamaro ny fifanampiana amin’ny fikolokoloana ny fananana iombonana, ao anatin’izany ny fikoloana ny vakoka satria maha izy azy ny firenena. Nohamafisiny fa fiantsoana ny olom-pirenena hiara-hientana ny “tagnamaro: andron’ny olom-pirenena” ka izay no mahatonga azy atao andro tsy fiasana. “Inona no foinao olom-pirenena ho an’ny firenenao? Foinao ve ilay andro fialantsasatra, andro iray ao anatin’ny iray volana ho an’ny firenena? ”, hoy ny minisitra nanazava ny antony mahatonga ny mpiasan’ny minisitera tsy maintsy mandray anjara amin’ny tagnamaro. Kolontsaina fifanampiana sy fifanomezan-tanana mba hampiova endrika ny tanana, ny firenena ny tagnamaro hoy izy ka rehefa hitan’ny rehetra ny fiantraikany dia manira-tena ny tsirairay aoriana kely.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *