Socio-eco

TAGNAMARO ANDIANY FAHA-3: Nifarimbona ny minisitera telo tonta


Volana natokan’ny governemanta malagasy ho an’ny fiahiana ara-tsosialy ny volana mey. Ho fanamarihana izany dia nifarimbona nanao tagnamaro teny amin’ny EPP Anatihazo Isotry ny ministeran’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ary ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Nifanome tanana nanadio sy nanosotra savoka ny efitranon-tsekoly, nandoko ny solaitrabe, nanadio ny tokontany, nanamboatra ny zaridaina ireo mpiasan’ny minisitera telo tonta.

Fanentanana maro no nataon’ireo ministera nandritra ny tagnamaro andiany faha-3 natao teny amin’ny EPP Anatihazo Isotry. Anisany nanentana ny mpianatra momba ny fiompiana akoho sy tantely na fandrama ny ministeran’ny fambolena. Momba ny zon’ny ankizy sy maha olompirenena kosa no nataon’ny ministeran’ny mponina. Nozaraina fitaovan’ny mpianatra ireo ankizy nahavaly fanontaniana nandritra fanentanana. Fampianarana ny olompirenena handray andraikitra sy famohazana indray ny kolontsaina malagasy, tia mifanampy sy mifanome tanana ny hetsika tagnamaro. Ho tohizana hatrany izany mba tsy hiandry ho tenenina na terena ny olompirenena tsirairay vao hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Lynda A.


2 comments on “TAGNAMARO ANDIANY FAHA-3: Nifarimbona ny minisitera telo tonta

  1. jereo gasikara

    ny hetsika tagnamaro dia anisany zava-dehibe , satria mamerina indray ny firaisankina ho an’ny malagasy tsy ankanavaka, ary koa fampatsiahivana ny rehetra mba handray andraikitra eo amin’ny fiarahamonina ho azy . noho izany , ilaina ny fisiany sy ny fitohizany satria soa amin’ny lafiny rehetra no azo avy aminy

  2. ramalah jacques

    salama e
    Ny corona 19 dia vofehin tsika amin ny kankana sy ny fiverarenana aminy tany miampy ny fienona ny fehon ny fiheritreretana ampanetretena nefa izany

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *