VAKSINY COVID-19 Archives | déliremadagascar

VAKSINY COVID-19 : “Lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao”
Nitohy teny amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy (DREDD) Analamanga, ny 15 jona 2021 teny Nanisana,  ny fanentanana ny fanaovana vaksiny Covid-19 ataon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Rehefa avy nampahafantarina ny mpiasan’ny DREDD, ireo mponina eny amin’ny fokontany Nanisana maniry ny hanao vaksiny  ny mombamomba ny vaksiny  Covid-19 sy ny tombony azo avy amin’ny fanaovana izany dia niroso tamin’ny fanaovam-baksiny izy ireo. 60 olona teo no nataon’ny mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka vaksiny tamin’io fotoana io. “ Izahay eto amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy Analamanga dia resy lahatra fa tokony atao ny  vaksiny. Maromaro tato aminay no narary ary tratran’io  forme grave io , ary nisy nandao fianakaviana. Narary taminay ilay izy dia  tiana ialàna izay zavatra izay dia nanentana ny mpiasa izahay. Miara-miasa  akaiky amin’ireo mponina ety ihany koa izahay,  anisan’izany ny ato amin’ny fokontany Nanisana, ny distrika Avaradrano”, hoy ny Tale-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy  Andrianandrasana Herizo.  Nambarany fa “ny  fahasalaman’ny olona dia mifandray amin’ny fahasalaman’ny tontolo iainana”. “Hiatrika ady amin’ny afo izahay, isika ato ato. Ilaina salama ny olona, miara-miatrika an’izany ady izany mba hitondra mankany amin’ny fandrosoana lovain-jafy”, hoy izy.

Miverina amin’ny fiainana andavanandro

Ho an’ny faritra Analamanga, misokatra ho an’ireo olona 18 taona mihoatra maniry ny hanao vaksiny Covid-19  ireo toerana natokana amin’izany toy ny  eny amin’ny  Stade Malacam, Kianja fanaovana basket  eny Anosisoa  Ambohimanarina,  ny “vaccinodrome” eo aorian’ny FJKM Salema vaovao 67ha… Mandray olona manomboka  amin’ny 8 maraina ka hatramin’ny 4 hariva ireo toerana ireo. Araka ny fanazavan’ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka eto Analamanga, Raharimamonjy  Laliarisoa fa afaka manatona ireo olona te hisitraka vaksiny: olona maromaro na orinasa, fiangonana,  ministera, ihany koa ny mpiasan’ny fahasalamana.  “Raha mihoatra ny 40 isa dia azonay atao ny manatona”, hoy izy. Manentana ny rehetra, indrindra ireo olona mihoatra ny 45 taona Ramatoa Raharimamonjy  Laliarisoa hanao vaksiny satria “raha nahatsikaritra isika dia  io sokajin-taona io no maro olona lavon’ny covid, maromaro amin’ireo forme grave”. Nohamafisiny fa  ny  “fanaovana vaksiny no lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao, miala amin’ny fihibohana, miverina amin’ny fiainana andavanandro”.  Marihina fa anisany nanolon-tena amin’ny fanentanana ny mpiara-belona hanao vaksiny i Haingo Pararadis.  “Noho ny fahatsapana ny maha sarobidy ny aina dia resy lahatra fa ilaina ny fanaovana vaksiny ahafahana miatrika ny covid-19, tsy ahatongavana amin’ny forme grave. Amiko harena ny olona”, hoy ity mpilatsaka an-tsitrapo ity.

Lynda A.

L’article VAKSINY COVID-19 : “Lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao” est apparu en premier sur déliremadagascar.