Socio-eco

TAFIKA AN-DRANOMASINA: Atao eto Madagasikara ny Cutlass Express 2019.2


Fitandroana ny filaminana an-dranomasina. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany 4 novambra 2019 teny amin’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena Ampahibe  ny Cutlass Express 2019, andiany faharoa. Fanazaran-tena hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tafika an-dranomasina ho an’ireo firenena manodidina ny ranomasimbe Indiana, Afrika Atsinanana izy ity.Tafika an-dranomasina avy amin’ny  firenena maro toa an’i Madagasikara, Maurice, Seychelles, Djibouti, Tanzanie, Kenya no handray anjara amin’izany. Eto Antananarivo sy Antsiranana ny ivon’ny Cutlass Express 2019.2 ary tsy hifarana ny fanazaran-tena raha tsy ny 16 novambra 2019.

 Nambaran’ny ministry ny fiarovam-pirenena, Jeneraly Richard Rakotonirina fa fiarahamiasa amin’ny fanjakana amerikana sy ny vondrona eraopeanina ity fanazaran-tena fanao isan-taona ity. Miara-misalahy amin’ny fanatanterahana izany ny CRFIM (Centre Regional de Fusion d’Informations Maritimes) izay eto Madagasikara ny foibeny. Araka ny fanazavan’ny ministra hatrany fa fomba fiarahamiasa ho an’ny  fandriam-pahalemana an-dranomasina, iadiana amin’ny jiolahin-tsambo, fanondranana an-tsokosoko ny harena voanjanahary ; fanamafisana ny fahaiza-manaon’ ny tafika an-dranomasina ny Cutlass Express.  Noho izany, hisy ny fampitana fahaiza-manao avy amin’ny firenen- dehibe. Nanamafy ihany koa ny Ambasadaorin’i Etazonia miasa eto Madagasikara, Michael Peter Pelletier fa ho fiantohana ny fandriam-pahalemana eto Afrika izao fiarahamiasa izao. Anisany hanaovana fanazaran-tena ny fomba hiatrehana ny ady amin’ny  jono an-dranomasina tsy ara-dalàna, ny fanondranana antsokosoko amin’ny lafiny rehetra.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *