politique

TABERA RANDRIAMANANTSOA: « Vato namelan-kafatra izahay »


Efa nanao dingana amin’ny fampihavanana azy mirahalahy manao fihodinana faharoa i Profesora Zafy Albert talohan’ny nandaozany an’ny tany. Fantatry ny kandidà Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana izany. Nisy ny fikasana hanao fanambarana iombonana momba izany fampihavanana izany saika ny aina tsy mifametra ka tsy tanteraka izany.

Amin’ny maha vato namelan-kafatra an’ny CRN dia tsy mety ny miandany amin’ny kandidà atsy na aroa ka handrava ny dingana lehibe efa vitan’ny ray amana-dreny teo aloha tamin’ny i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Indrindra ihany koa ny maha mpitondra ny komity ho an’ny fihavanam-pirenena azy. Noho izany tsy hanohana kandidà izahay, hoy Tabera Randriamanantsoa. « Tsy mety amin’ny CRN ny manao fitaovana politika ny « fihavanana » izay hevitra fototra hijoroanay », hoy izy. Miantso azy mirahalahy izy mba hanao vaindohan-draharaha amin’ny fampihavanana sy ny fanorenana ifotony ny firenena malagasy.  Miantso ny mpiray tanindrazana kosa izy mba hamita ny adidiny an-kalalahana ka hisafidy araka izay feon’ny fieritreretany maharesy lahatra azy avy.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *