Socio-eco

SYMBION POWER: Noho ny fanarenana, mamokatra herinaratra 40MW ny ao Mandroseza


Raha 02 MW fotsiny ny herinaratra vokarin’ny milina mpamokatra herinaratra ao amin’ny foibem-pamokarana angovo Mandroseza, niakatra 40 MW izany ankehitriny. Noho ny fiaraha-miasan’ny fanjakana tamin’ny orinasa SYMBION Power, nohavaozina ireo milina efatra simba.
Niely ny vaovao fa vao maika hiakatra ny vidin-jiro raha tantanin’ny SYMBION Power ireo milina ireo. Nambaran’ny Filohan’ny orinasa, Paul HINKS anefa fa mifanohitra amin’izany no hitranga. Nanamafy izany ihany koa ny Ministry ny rano, ny angovo ary ny solika fa anisany orinasa tsy miankina, mpamatsy herinaratra amin’ny sarany mirary ny SYMBION .
Mandritra ny 20 taona no hitantanany ireo milina mpamokatra herinaratra. Ny JIRAMA kosa no hiantoka ny menaka mavesatra hampandehanana izany.
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 16 Aogositra 2017 ny fanarenana ny foibem-pamokarana herinaratra ao Mandroseza.
Nanatrika izany ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA niaraka tamina Ministra maromaro . Tazana nandritra lanonana ihany koa ny delegasiona ny kongresy Amerikana, ny Filohan’ny SYMBION Power, ny Filoha Tale Jeneralin’ny VIMA (Vision Madagascar), Zouzar BOUKA izay mpiara-miasa akaiky amin’ny SYMBION.
Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *