Socio-eco

STARTIMES : Tonga aloha dadabe noely


Afaka manjifa ny televiziona nomerika ny isan-tokantrano. Iray volana tsy hahatongavan’ny fetin’ny noely dia efa nanafatra an’i dadabe noely sahady ny Startimes. Manomboka omaly Alarobia 20 novambra 2019 ka hatramin’ny 15 janoary 2019 dia misy ny fihenam-bidy goavana atolotry ny orinasa ho an’ireo mbola tsy mampiasa ny televiziona nomerika Startimes. Ho an’Antananarivo, nidina ho 30.000 Ariary ny vidin’ny “décodeur DTT” raha toa ka 50.000 Ariary izany. Raha manjifa azy ity dia mahazo “bouquet classic” iray volana maimaim-poana. Amidy 80.000 Ariary miampy “bouquet super 1” kosa ny “kit satellitaire” raha 120.000 Ariary ny vidiny mahazatra. Araka ny fanazavan’ny tale ara-barotry ny Startimes eto Madagasikara, Ralai Aina tamin’ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny 20 novambra 2019 fa miezaka ny manome fahafaham-po ho an’ny mpanjifa ry zareo. “Tsy manadino ireo efa mpanjifa hatramin’izay i dadabe noely. Mahazo abonnement 15 andro amboniny ireo mividy ny bouquet smart na classic ary dimy andro fanampiny ho an’ny bouquet supérieur. Ho an’ireo mpanjifa ny Startimes saingy tsy nanao réabonnement tao anatin’ny roa volana dia mahazo iray volana fanampiny raha miverina manao abonnement”, hoy hatrany izy.

Nambaran-dRalai Aina fa zava-baovao ho entin’ny Startimes ny fanatanjahantena taterina amin’ny teny Malagasy, ny fandefasana ny “série Novela” mitondra ny lohateny hoe: “la reine de Flow” zay tsy misy afa-tsy Netflix ihany no mbola mandefa azy amin’izao. “Ao anatin’ny fotoana fohy no handehanan’izy ity ao amin’ny Startimes Novela F plus. Marihina fa manana vina  hampitombo ny mpanjifany  ho 150.000 ny Startimes amin’ny taona 2020.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *