Socio-eco

STARTIMES – SOS VILLAGES D’ENFANTS: Manamora ny fahazoan’ny tanora asa


Tapa-kevitra ny fikambanana SOS Villages d’Enfants sy ny vondrona televiziona nomerika Startimes eto Madagasikara fa hiara-hiasa ho fampananan’asa ny tanora noho ny fahitàna fa betsaka ny tanora tsy an’asa eto amintsika. Tanteraka ny 15 aprily 2019 teny amin’ny foiben’ny Sartimes Ankorondrano ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny roa tonta. Ao anatin’ny fanatanterahana ny fifanarahana niarahan’ny SOS Villages d’Enfants international  sy ny Startimes international izay nosoniavina tamin’ny volana mey 2018 tany Nairobi, Renivohitr’i Kenya ho fanohanana ireo ankizy sy fianakaviana sahirana ity fifanaovan-tsonia ity, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny ny Startimes Madagasikara, Jin Julien.

Nambaran’ny Maître Raharinarivonirina Maria, filohan’ny filankevi-pitantanan’ny SOS Village d’enfants eto Madagasikara fa tamin’ny alalan’ny Youth Can, vovonana mampivondrona ireo orinasa te hiara-hiasa amin’ny SOS Village d’Enfants amin’ny fampananan’asa ny tanora no nampiray ny fikambanana sy ny Startimes. Noho izany, tanora 30, taizana ao amin’ny SOS Village d’Enfants no hahazo tombontsoa mivantana amin’ity fiarahamiasa ity, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Youth Can, Raharimanantsoa Faneva. Handray an-tanana ny fampiofanana arak’asa toy ny fanomezana “stage”, fampiofanana ara-teknika, fizarana traikefa ho fanomanana ny tanora amin’ny fidirana amin’ny tontolon’ny asa kosa no anjara biriky ho entin’ny orinasa, raha ny fanazavan’ny tale ara-barotry ny Startimes, Ralai Aina. Eo ihany koa ny fampielezana ny fandaharan’asa ny SOS Village d’Enfants International sy eto an-toerana ao anatin’ny televiziona nomerika Startimes. Raha ny fantatra dia ao anatin’ny roa taona ny faharetany fiarahamiasan’ity fikambanana miahy ny ankizy sy ny fianakaviana sahirana sy ny televiziona nomerika voalohany eto Afrika ity.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *