Socio-eco

STARTIMES : Nandrombaka ny « loka ho an’ny marika TNT mivoatra indrindra”


Televiziona nomerika natao ho an’ny ankohonana rehetra. Ny Startimes no nibata ny  “amboara ho  an’ny  marika TNT mivoatra indrindra” ka natolotra azy nandritra ny lanonana “Brands and Advertising Excellence Awards 2020” nokarakarain’ny Marketing Edge tany Nigeria izany. Gazety boky malaza amin’ny sehatry ny fitantanana sy ny dokam-barotra ny Marketing Edge. Tamin’ny alalan’io lanonana andiany faha-fito io no nankalazana ny  tontolon’ny fivoarana, ny orinasa, ny mampiavaka indrindra ity sehatra ity. Nambaran’ny Filoha Tale jeneraly  sady talen’ny famoahana ao amin’ny Marketing Edge, John Ajayi fa “efa fantan-daza ny Startimes fa hatramin’ny niforonany dia mifanalavitra amin’ireo mpifaninana aminy ny  tolotra omeny. Raha resaka fanatsarana ny tolo-draharaha, ny fandrakofana sy ny sarany dia  zakan’ny rehetra”.

Nanomboka tamin’ny taona 2008 nisiany teto Afrika, nifototra tamin’ny fanatanterahana ny vinany: “ny ankohonana afrikanina rehetra dia misitraka ny televiziona nomerika” ity orinasa ity. Tany Rwanda ny Startimes no voasokajy ho mpisehatra voalohany amin’ny TNT (Télévision Numérique Terrestre) ao amin’ny kontinenta afrikanina. Firenena 30 eto Afrika no ahitana azy. 20 tapitrisa kosa no mampiasa ny «application de streaming StarTimes ON ». « Ny fahazoana io loka io dia manamporofo ny fivoarana entin’ny Startimes. amin’ny sehatry ny TNT. Nandritra 12 taona nisiany teto amin’ny kontinanta dia mijanona ho televiziona nomerika zakan’ny ankohonana rehetra izahay”, hoy ny Talen’ny fifandraisana amin’ny daholobe an’ny Startimes, William Masy.

Nirina R.


One comment on “STARTIMES : Nandrombaka ny « loka ho an’ny marika TNT mivoatra indrindra”

  1. Pingback: STARTIMES : Nandrombaka ny « loka ho an’ny marika TNT mivoatra indrindra” - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *