Socio-eco

STARTIMES: Mitombo hatrany ireo tolotra manokana ho an’ny fetin’ny noely


Ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa sy ireo mbola hanjifa. Dimy taona amin’ity volana desambra 2020 ity no nanoka-baravaravana ho an’ny daholobe ny Startimes. “Herinandro vitsy lasa izay dia nanao fanambarana izahay noho ny fisian’ny tolotra ho an’ny fetin’ny noely. Ho fanamarihana amin’ny endriny miavaka ity fety  manan-danja amintsika ity dia nanapa-kevitra ny Startimes fa hankalaza ny fahadimy taona nisokafan’ireo botika amin’ny alalan’ny tolotra hafa”, hoy I Zafera Joyce, tomponandraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny  daholobe ao amin’ny Startimes Madagascar. Nanomboka androany,  mahazo “bouquet supérieur” maimaim-poana  ireo ireo mividy bouquet Basic /Smart roa volana. Omena 10 andro fanampiny kosa ireo mividy bouquet Super/Classic  roa volana.

Nambaran’i Zafera Joyce fa tao anatin’izay dimy taona izay dia nitohy hatrany ny fanatsarana ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa sy ireo mbola hanjifa. Noho izany, ireo tokantrano mbola tsy manana kit Startimes dia mahazo fihenam-bidy. Ho an’Antananarivo dia 50.000 Ariary ny kit startimes terrestre, efa ao anatin’ny décodeur sy abonnement iray volana miampy cable misy râteau. 60.000 Ariary kosa ny satellite, ao daholo ny kit, efa misy abonnement iray volana ary maimaim-poana ny fametahana azy. Nahitana fihenam-bidy be ihany koa ireo vatafahitalavitra nomerika vokarin’ny Startimes: 500.000 Ariary ny 32’’ ary 900.000 Ariary ny 43’’.

Nirina R.


One comment on “STARTIMES: Mitombo hatrany ireo tolotra manokana ho an’ny fetin’ny noely

  1. Pingback: STARTIMES: Mitombo hatrany ireo tolotra manokana ho an’ny fetin’ny noely - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *