Socio-eco

STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy


Fotoana ankamamian’ny mpianakavy ny fetin’ny faran’ny taona. “Manoloana izany dia nanao ezaka ny teo anivon’ny Startimes hamenoana izany hafaliana izany”, hoy ny tompondraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny Startimes, Zafera Joyce nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny 20 novambra 2020 teny Ankorondrano. Nambarany fa nampiditra chaînes vaovao 28 tao anatin’ny bouquet ny Startimes tamin’ity taona ity, nanome fihenam-bidy tamin’ny alalan’ny Startimes GO ary tamin’ny alalan’ny Startimes ON dia afaka nisitraka ny vokatra Startimes na mpanjifa na tsia.

Ho tohiny izany rehetra izany dia manao fihenam-bidy goavana ity televiziona nomerika ity ho fanamarihana ny fetin’ny faran’ny taona. “ Raha ho an’ny eto Antananarivo dia lasa 45.000 Ariary ny décodeur ary efa misy abonnement 44.000 Ariary. Ho an’ny sahafa indray dia lasa 80.000 Ariary izany raha toa ka 120.000 Ariary teo aloha ary efa misy bouquet 44.000 Ariary miaraka aminy”, hoy i Zafera Joyce. Ankoatra izany dia mbola mitohy ny fihenam-bidy amin’ny “télévision numérique” an’ny Startimes. Raha 650.000 Ariary ny 32” dia lasa 550.000 Ariary. Ho an’ny televiziona 43” dia 950.000 Ariary ny vidiny raha toa ka 1.100.000 Ariary izy teo aloha.

Nirina R.


One comment on “STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy

  1. Pingback: STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *