Sport

STARTIMES: Handefa ny “Orange Pro League” mandritra ny 10 taona


Tsy azo jerena ny lalao ara-panatanjahantena rehetra amin’ny faritra telo, Analamanga, Vakinankaratra ary Matsiatra Ambony noho ny fahamailoana ara-pahasalamana.  Hahazo tombony ny mpanjifa ny Startimes satria handeha mivantana ao amin’ny chaîne GasyStar  ireo lalao mihoatra 84 amin’ny Orange Pro League (OPL)  mandritra ny taom-pilalaovana 2021-2022. Ny faran’ny herinandro teo ny andro fahatelo amin’ity lalao baolina kitra iadiana ny tompondakan’i Madagasikara ity. Noho ny fiarahamiasan’ny Startimes sy ny fikambanana Clubs de football élite de Madagascar (CFEM), manana zo handefa ireo lalao tontosaina mandritra ny OPL ny Startimes. Ny 18 desambra 2021 teny Ankorondrano ny fifanovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny roa tonta. Mandritra ny 10 taona ny fifanarahana ary nanomboka tamin’ity taom-pilalaovana 2021-2022 ity izany. “Tao anatin’ny 5 taona nitsanganan’ ny Startimes teto Madagasikara dia niezaka hatrany izahay nanome ireo vokatra tsara indrindra ho an’ny mpanjifanay. Nanomboka  tamin’ny fividianana  contenu local izahay tamin’ny volana janoary. Amin’izao famaranana ny taona izao dia fiarahamiasa amin’ny CFEM indray no atao”, hoy i Zafera Joyce, Tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Startimes Madagasikara. Ao amin’ny GasyStar, chaîne 100 % mandefa fanatanjahantena sy kolontsaina malagasy, no handeha ireo lalao mandritra ny OPL. “Hita ao amin’ny  bouquet 22.000 Ariary izany ary  tafiditra ao anatin’ny application Startimes ON  ny GasyStar.  Ahafahana mijery ireo contenu misy ao amin’ny startimes ity application ity. Misy abonnement isan’andro, isan-kerinandro, isam-bolana”, hoy hatrany i Zafera Joyce. Nambarany fa anisany tsy nahazo sehatra  ny fanatanjahantena eto an-toerana ary tsy mbola misy chaîne iray miresaka fanatanjahantena sy kolotsaina ranoray. Izany indrindra no nahatonga ny Startimes nikaroka ny fomba rehetra hanomezana lanja ity sehatra ity. Nilaza Rakotoharimalala Mirado, Sekretera jeneralin’ny CFEM fa “sambany teto Madagasiakra no nisy  televiziona manome lanja ny fanatanjahantena  ahafahan’ny Malagasy rehetra na eto an-toerana na any ivelany manaraka ny mpilalao ankafiziny”. Efa  eo an-dalanam-panomanana fiarahamiasa maro amin’ny federasiona ny Startimes hanomezana fahafaham-po tanteraka ny mpitia baolina kitra.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *