Sport

STARTIMES: Handefa mivantana ny COPA America 2019


Ny 15 jona hatramin’ny 7 jolay 2019 ny lalao iadiana ny tompondaka baolina kitra any Amerika Atsimo. Nahazo alalana handefa ny COPA America andiany faha-46 aty amin’ny faritr’i Afrika Atsimo ny Startimes. Ekipa 12 no hifanandrina, hiady ho tompondakan’ny baolina kitra any Amerika Atsimo ka tanan-dehibe dimy any Brésil no hanaovana ny lalao rehetra. Nasaina manokana ny ekipam-pirenen’i Japon sy Qatar.

Nambaran’ny tale ara-barotry Startimes Madagascar, Ralai Aina fa handefa mivantana ny COPA America Brasil 2019 ireo “chaînes” dimy mpandefa fanatanjahantena sy ny Application Startimes ON. “Faly izahay fa hanome fahafaham-po ny mpanjifa ny Startimes satria hanaraka ny lalao ataon’i Messi sy Neymar izy ireo”, hoy ny Tale ny fanatanjahantena ao Startimes, ShiMaochu. Tsy miova ny saran’ireo tolotra omen’ny televiziona nomerika Startimes.

Nirina R.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *