Socio-eco

STARTIMES: Hahazo fahafaham-po ireo ankizy mandritra ny vakansy


Manampy amin’ny fianarana ny teny anglisy. Chaînes 11 malaza eran-tany natokana ho an’ny ankizy sy ny tanora no atolotry ny Startimes ho an’ny mpanjifa mandritra ny fotoanan’ny vakansy. Hanampy ireo ankizy sy tanora hanamafy ny fahaizany sy ny fianarana teny anglisy ireo chaînes toy ny Dreamworks TV, Baby TV, Cartoon Network, Toonami sy ireo chaînes hafa.  “Amin’izao fotoanan’ny vakansy izao, andraikitra lehibe ny fiahiana ireo ankizy. Noho ny zava-misy nateraky ny krizy ara-pahasalamana, mety tsy handeha hamonjy toeram-pialantsasatra ny mpianakavy. Manoloana izany indrindra no nahatonga ny Startimes nanatsara ny chaînes ho an’ny ankizy mba hahaliana azy ireo” hoy i Zafera Joyce, tomponandraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe eo anivon’ny Startimes Madagasikara.

Amin’ny volana aogositra ho avy izao ihany koa dia mihatsara hatrany ny chaînes ho an’ny tontolon’ny fanatanjahantena satria handefa ny lalao basketball iadiana ny tompondakan’ny FIBA AfroBasket Rwanda 2021 ity televiziona nomerika ity manomboka ny 24 aogositra. Azo arahina mivantana amin’ny ST Sports Life sy ST Sports Focus ny lalao rehetra. Tsy adinon’ny StarTimes ireo renim-pianakaviana sy tovovavy tia manaraka télénovelas. Mandeha amin’ny Startimes ny télénovela «Le Secret d’El Paraiso». « Télénovela tsy manam-paharoa alefan’ny Startimes manerana ny Afrika mampiasa ny teny anglisy ary tena be mpijery indrindra «Le Secret d’El Paraiso» ary tsy ho latsa-danja amin’izany ny eto Madagasikara”. Nohamafisin’i Zafera Joyce fa mihevitra ny fahefa-mividin’ny tsirairay ny Startimes. Natao 45 000 Ariary « kit de décodeur TNT », efa misy abonnement iray volana maimaimpoana. 60 000 Ariary ny « décodeur satellite », efa misy abonnement iray volana ihany koa. Tsy miova kosa ny saran’ny abonnement : 22 000 Ariary ny Smart na Basic ary 44 000 Ariary ny Super na Classic.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *