Socio-eco

S’PSS: Vahaolana ho an’ny fandriampahalemana


Ahitana orinasa matihanina amin’ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany eny amin’ny « salon des produits et solutions de sécurité » (S’PSS). Mivondrona ao anatin’ny trano heva telopolo izy ireo. Nanomboka androany 13 jolay 2018 ny hetsika ary hifarana rahampitso 14 jolay 2018 izany. Ny ID ALL COM sy MADA JEUNE no mikarakara ny S’PSS andiany voalohany. Tolotra sy fampitaovana momba ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany no harantin’ireo mpandray anjara ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena (Petit Palais). Nambaran’ny tomponandraikitry ny seraseran’ny ID ALL COM, Miora Rabearisoa fa tanjon’ny hetsika ny fametrahana vahaolana maharitra momba ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara.

Kidnapping

Manana vahaolana momba ny “kidnapping” ny orinasa HAP Madagascar izay mpanohana manokana ny S’PSS. Mampahafantatra ny tolotra hananany manodidina ny fakana an-keriny ity orinasa hita manerantany ity. Anisan’izany ny fanadihadiana lalina sy ny fikarohana manokana amin’ny tranga iray mba ahafahana mahazo vaovao amin’ny antsipiriany sy hanomana paik’ady hiatrehana izany. Ankoatra ny fampitaovana toy ny « système d’alarme », « vidéo de surveillance »… hiarovana ny tanàna, misy amin’ireo orinasa mandray anjara amin’ny S’PSS manana tolotra ahafahana miaro ny antontan-kevitra mirakitra ny tsiambaratelon’ny orinasa.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *