Socio-eco

SPOKEN ENGLISH COURSE : Manolotra fanomezana hafa kely ho an’ny fetin’ny krismasy


Nahazo fanomezana avy amin’ny Spoken English Course (SEC) ireo mpianatry ny CEG Ampefiloha sy Lycée moderne Ampefiloha (LMA). « Mahatsapa fa manana adidy amin’ny fanampiana ny mpiara-belona fa indrindra ny tanora izahay. Rariny ihany koa raha misitraka tolotra avy aty aminay ny eto Ampefiloha satria teto foana izahay tao anatin’izay 10 taona », hoy ny filoha tale jeneralin’ny SEC, Tovondrainy René Fulgence nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 20 desambra 2019. Manomboka amin’ny volana janoary 2020, hahazo fampianarana maimaimpoana ireo mpianatra avy ao amin’ny CEG Ampefiloha sy LMA. Mpianatry 40 isaky ny sekoly no hisitraka izany. Ireo tomponandraikitry ny sekoly no hifantina ireo ankizy mendrika hahazo ity tolotra ity. Araka ny fanazavan’i Tovondrainy René Fulgence hatrany fa ambany ny fari-pahaizan’ny mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana momba ny teny anglisy noho tsy fahampian’ny sehatra hampiasana izany. Nilaza anefa izy fa ilaina ny teny anglisy eo amin’ny sehatra ny fandraharahana. Efa misy ihany koa ireo orinasa eto amintsika no mitaky fahaizana mampiasa ny teny anglisy. Ny fampitaovana ireo sekolim-panjakana no tokony hirosoana maika ahafahan’ny mpampianatra sy ny mpianatra hahay hifehy io teny io.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *