politique

SOLOMBAVAMBAHOAKA VAOVAO: Hahita ny halalin’ny rano


Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny talata 2 jolay 2019 ny voka-pifidianana tamin’ny fifidianana  solombavambahoaka. Fantatra fa nahazo ny maro an’isa ny avy amin’ny vondrona antoko IRD (Isika rehetra miaraka amin’ny Prezida Andry Rajoelina. 84 ny isan’izy ireo. Manaraka azy ireo ny tsy miankina, nahazo toerana 46 ary 16 kosa ny an’ny antoko TIM (Tiako i Madagasikara).  Samy nahazo toerana iray avy kosa ny antoko RPSD Vaovao, ny Matita, ny MDM, ny MTS ary ny GJMP.  Nambaran’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC), Rakotoarisoa Jean Eric fa ankoatra ny andraikitra ho sahan’izy ireo toy ny famolavolana, fandinihana ary fandaniana ny lalàna dia manana adidy mavesatra ireo solombavambahoaka lany hamerina ny hasin’ny Antenimierampirenena, hamerina ny fahatokisan’ny vahoaka.

Nohamafisin’ny solombavambahoaka  voafidy tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, Rakotoarisoa Johnny izany tenin’ny filohan’ny HCC izany. “Mavesatra ny adidy miandry anay. Ao anatin’izany ny famerenana ny hasin’ny Antenimierampirenena.  Betsaka ireo tolon-dalàna ho aroso ary efa miandry izany ny vahoakan’Ambohidratrimo”, hoy ity solombavambahoaka avy amin’ny vondrona IRD ity. Ny tantara no hamaritra na hitondra fanovàna tokoa ireto olomboafidy ireto na hamerina ny nataon’ny teo aloha. Rehefa tsy eo amin’ilay toerana  dia mahasahy miteny ny mety sy ny tsy mety  fa rehefa tonga eo dia mamerina ireo fomba sy fihetsika nokianina fatratra.

Lynda A.

 


2 comments on “SOLOMBAVAMBAHOAKA VAOVAO: Hahita ny halalin’ny rano

  1. jereo gasikara

    nazava ny vokatra izay navoakan’ny hcc, mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, ny IRD no nahazo ny maro an’isa, ary ny vahoaka dia miandry sy miandrandra ny tena fampandrosoana hiangana sy maharitra , satria mila fanavotana ity madagasikara ity

  2. Pingback: SOLOMBAVAMBAHOAKA VAOVAO: Hahita ny halalin’ny rano - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *