politique

SOLOMBAVAMBAHOAKA TIM : “ Zo avy aiza no ahafahana mampiditra anarana hafa ao anaty lisi-pifidianana? ”


“Misy tsy mitovy amin’ny lisi-pifidianana reniny ny eny amin’ny fokontany”. Nanao  valandresaka tamin’ny mpanao gazety ny solombavambahoaka TIM (Tiako i Madagasikara) lany teto Antananarivo renivohitra androany 15 novambra 2019. Nambaran’ny solombavambahoaka Razafimanantsoa Hanitra fa misy ny fikitihana lisi-pifidianana ao amin’ireo boriborintany enina mandrafitra ny kaominina Antananarivo renivohitra.  “Vao avy nanamarina teny amin’ny biraom-pokontany iray izahay androany ka 513 ny mpifidy ao amin’ny biraom-pifidianana iray rehefa nisaina anefa dia lasa 675”. Araka ny fanazavany hatrany  fa araky ny lalàna, tsy azo kitihina intsony ny lisi-pifidianana satria efa nikatona tamin’ny 15 mey 2019. Zo avy aiza no ahafahana mampiditra  anarana hafa ao anaty lisi-pifidianana? Iza no mampiditra an’ireo anarana hafa ireo?  Ampandaniana kandida iza?

Nohamafisin’i solombavambahoaka Razafimanantsoa Hanitra fa manana dika mitovy amin’ny lisitra reniny izay avy any amin’ny CENI (vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana) ihany  ry zareo ka hanaramaso io lisi-pifidianana io. “Mbola manana fotoana ny CENI hamerenana amin’ny laoniny  ny lisi-pifidianana eny biraom-pokontany”, hoy izy. “Aoka izay ny fanodikodinana safidin’olona, aleo ny rehetra hifidy  izay tiany ho ben’ny tanàna, aleo hikisaka ny tomponandraiki-panjakana amin’ny fandaniana kandida”.

Nirina R.


One comment on “SOLOMBAVAMBAHOAKA TIM : “ Zo avy aiza no ahafahana mampiditra anarana hafa ao anaty lisi-pifidianana? ”

  1. Rakotoarisoa Fano

    Aza avela hijanona @ izao izany toejavatra izany, dien’izao, fa ento hatramin’ny farany : apetraho ny fitoriana dia ataovy ny famotorana ho fantatra hoe iza marina no ao ambadika ao… Aoka tsy hitavozavoza fa miantoka ny safidim-bahoaka sy ny fiainam-pirenena io… Asaivo manao ny asany ny ambaratongam-pitsarana rehetra…Misaotra Tompoko.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *