politique

SOLOMBAVAMBAHOAKA MASY GOULAMALY : « Tokony misy ny mpanohitra ato amin’ny Antenimierampirenena»


Nanatrika ny fihaonana tamin’ny filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha avy any Afrika Atsimo ny solombavambahoaka Masy Goulamaly. Nizara ny traikefa nampahomby ny afrikana tatsimo tamin’ireo vehivavy solombavambahoaka i Baleka Mbete-Kgositsile ny marainan’ny 21 aogositra 2019 teny amin’ny lapam-panjakana Tsimbazaza. Anisany noresahany tamin’izany ny fampitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy ary ny fanekena ny tsy fitoviana, ohatra ny tsy fitovian-kevitra.  Nambaran’ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Tsihombe, faritra Androy fa ady iaraha-manana ny fampitoviana zo eo amin’ny vehivavy sy ny lehilahy. « Tsy adintsika eto Madagasikara irery izany fa manerana an’izao tontolo izao ary tokony handray andraikitra amin’ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny ny vehivavy malagasy ». Marina hoy izy fa mbola vitsy ny vehivavy solombavambahoaka eto amintsika fa ny mahavelom-bolo dia ny fananantsika filohan’ny Antenimierampirenena vehivavy.  Nohamafisiny fa anisany miady amin’ny fanomezana sehatra  ny vehivavy ny tenany. “Tsy atao resa-be izany fa tsy maintsy hampidirina ao anaty lalàna. Izay no mahatonga ny tenako mamolavola io lalàna io, handresena lahatra ny lehilahy ato amin’ny Antenimierampirenena: ity ny lalàna ahafahan’ny vehivavy mandray anjara bebe kokoa eto amin’ny firenena”, hoy hatrany ny fanazavany.

Mpanohitra

Naneho ny heviny ihany koa i Masy Goulamaly momba ny toeran’ny mpanohitra eny anivon’ny  Antenimierampirenena. “Raha  amiko manokana, raha te hiaina izany demokrasia izany dia tokony misy ny mpanohitra ato amin’ny Antenimierampirenena fa manohitra amin’ny zavatra tsy rariny fa tsy hoe manohitra be fahatany. Tsy araky ny tsaho mandeha hoe rehefa i anona no mitondra firenena dia toherina ny heviny. Tokony mifampihaino na dia kely aza ny mpanohitra dia henoina” […] “Raha ny amiko manokana dia tsy hanohitra fanjakana fa miteny kosa rehefa misy tsy mety”. Nilaza ity solombavambahoaka mpikambana ao amin’ny GPR (Groupement des Parlementaires Républicains) ity fa misy mpanohitra TIM ao amin’ny Antenimierampirenena fa ny lesona azo tsoahina dia misy foana ny fifampiresahana.  Notohizany tamin’ny hoe: “izahay solombavambahoaka mahaleo tena dia mandray ny toerana eo afovoany: sady miresaka amin’ny IRD no miresaka amin’ny TIM ary misy foana ny fifampiresahana hatreto”.

Lynda A.


One comment on “SOLOMBAVAMBAHOAKA MASY GOULAMALY : « Tokony misy ny mpanohitra ato amin’ny Antenimierampirenena»

  1. Pingback: SOLOMBAVAMBAHOAKA MASY GOULAMALY : « Tokony misy ny mpanohitra ato amin’ny Antenimierampirenena» - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *