Socio-eco

SOAMANDRAKIZAY : Toromarika ny andron’ny anaovana ny Lamesa


Ho fanomanana ny fandraisana ny Papa Fransoà ho tonga eto Madagasikara dia misy ny toromarika avy amin’ny mpitandro filaminana, nampitaina tamin’ireo VOLONTAIRES ary niangaviana mba hampitaina amin’ny Kristianina manontolo hiatrika ny Lamesa eny Soamandrakizay ny Alahady 07 Septambra 2019.

1- Aoka mba hanaja ny toromarika omen’ny mpandrindra ny tsirairay.

2- Misy varavarana 4 ny eny, ny varavarana iray misy vavahady mena avy aty am Parking ambony dia hoan’ny manampahefana.

3- Vavahady ambony avy any amin’ny ankavanan’ny Otely dia hoan’ny vahoaka avy aty Antanandrano.

4- Ny varavarana ambany andrefana avy aty amin’ny tanimbary (Route Tsarasaotra) dia natokana hoan’ny fiara mpitondra mpizaika avy any amin’ny faritany, ny fiaran’olontsotra sy ny vahoaka sasany.

5-Varavarana ambany ankavian’ny Otely, ambanin’ny Nonciature dia natokana hoan’i Papa Fransoa sy ireo mpanotrona azy.

6- Aoka mba tsy hanantona an’i Papa Fransoa isika vahoaka fa izy afaka manantona antsika noho ny Sécurité.

7- Aoka mba asiana Numero any anaty paosin’ny zaza, laharana finday sy anaran’ny Ray amandreny mba hanamora ny fikaroana.

8- Aoka mba atao anaty sachet plastique TRANSPARENT ny vilia misy ny sakafo sns mba hanamora ny fisavana. 9-Aoka mba tsy hifanosika isika rehefa miditra sy mivoaka fa efa misy ny lamina, dia ny mivoaka isaky ny sekitera.

10- Aoka mba hitandro ny fahadiovana isika, ary hitondra bonbon mba hiarovana ny fahalemena tampoka, hitondra satroka, rano anaty tavoahangy plastika, fanafody hoan’izay taizan’aretina.

11- Hajao ny toeram-pidiovana ary fadio ny manary fako ao anaty WC.

12- Samia mitondra lamba ipetrahana fa tsy misy seza sahaza hoan’ny isa tsika eny an-toerana.

13- Pihina ny elo rehefa tonga eo amin’ny fanamasinan ny Eokaristia Masina, ary tsy azo raisina amin’y tanana ny Eokaristia fa am-bava.

14- Adiny 2 mialoha ny Sorona Masina dia tsy maintsy efa eny an-toerana avokoa ny mpizaika ary tsy mahazo mandehadeha.

15- Raha tsy misy ny fiovany dia tsy mifandray tanana otrany mahazatra isika rehefa tonga eo amin’ny FIADANANA fa mifampiarahaba sy mifandray tanana fotsiny no sady miteny hoe : « Fiadananan’i Kristy »


One comment on “SOAMANDRAKIZAY : Toromarika ny andron’ny anaovana ny Lamesa

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *