Evenement

Smile Party 2016 : Hangotraka ny manala azy vita bacc


Toerana malalaka sy azon’ny rehetra migalabona amin’ny fety aman- danonana no nosafidian’ny mpikarakara ny hetsika Smile Party amin’ity taona ity. Etsy amin’ny AFT Andavamamba no hotanterahina ny fanalana azy vita bacc karakarain’ny RDJ’s Team, rahampitso zomà 5 aogositra.

Anterivava : Rasolojaona Tahiana ( JayTaxx )

Tsy natokana ho an’ny mpanala bacc irery ihany anefa ny ambiansy nomanin’ny mpikarakara araka ny fanazavan-dRasolojaona Tahiana ( JayTaxx) nandritra ny valan- dresaka nataony ho an’ny mpanao gazety. Misy ny ambiansy natokana ho an’ny olon- dehibe izay mankafy ireo kalo sy vazon’ny taona 80 (ambiance retro). Izany hoe hitsinjovana manokana ireo ray aman- dreny te hanaraka ny zanany mandritra ny lanonana izy io. Tsy manakana ny rehetra tsy handray anjara sy hankafy ny ambiansy anefa izany. Ankoatra io, dia hisy hatrany ny seho maro isan- karazany efa nahafantarana ny smile party hatramin’izay toy ny karaoke, ny fampandihizana ataon’ireo DJ mpiara miasa amin’ny onjapeon’ny tanora hatramin’izay ary ny fampisehoana sy fanafanan- tsehatra ataon’ireo artista kalaza sy ankafizin’ny maro toa an’I Tsiliva, Princio, Tence Mena, Joyce Mena Makoa.

Hotanterahina amin’io fotoana io ihany koa ny famaranana ny fifaninanana DJ amateur Mastermixx Contest. Afaka mianoka eny amin’ny tafo lanitra izay mankafy izany ary afaka makamaka fafiny any anaty efitrano izay manahy ny ho jihitry ny hatsiaka. Hisy trano efa maro samihafa hivarotra sakafo sy zava- pisotro amin’io fotoana io araka ny fanazavana hatrany. Notsipihan’ny mpikarakara fa ho henjana ary ho hentitra ny fiambenana ny fandriam- pahalemana manomboka ny atoandron’ny zomà eny amin’ny manodidina ny AFT Andavamamba.

Ny zomà 12 aogositra kosa no hotanterahina ao amin’ny Roches Rouges ny smile party ao Mahajanga ary hanampy an’I Tsiliva sy Princio amin’ny fanafanana ny lanonana any an- toerana i Raboussa. Ny tarika Fou hehy hatrany no hanentana amin’ny fotoana rehetra.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *