Socio-eco

SEKOLY TELMA: Hitombo ny tahan’ny ankizy hiditra an-tsekoly ao amin’ny faritra Itasy


Fanatsarana ny fahafahana mianatra. Tandindomin-doza ny mpianatra ao amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP), Tanjombato Soavinandriana. Vita amin’ny rotsopeta ireo efitranon-tsekoly roa teo aloha ka noho izy efa an-taonany maro dia miha simba. Manampy trotraka ihany ny hamandoana ary maizimaizina ao anatiny. Voatery miaritra ao ireo mpianatra satria mandeha ora iray miala ny tanana ny sekoly akaiky indrindra. Hany ka mihoatra ny tokony ho izy ny isan’ny mpianatra. Misy fiantraikany amin’ny kalitaon’ny fampianarana amin’ny ankapobeny izany rehetra izany. Ankehitriny nahazo efitranon-tsekoly vaovao miisa telo efa misy fitaovam-pianarana toy ny dabilio ity EPP ity. Ao anatin’ny fandaharan’asa Sekoly Telma io foto-drafitr’asa vaovao io ka ny fikambanana JAD (Jeunes Acteurs de Développement) sy ny mponina eny ifotony no niara-namatsy vola tamin’ny asa fanamboarana. Ny 13 desambra 2019 lasa teo no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ity “sekoly telma” faha-78, miorina ao amin’ny faritra Itasy ity. Nanatrika ny lanonana niaraka tamin’ny solontenan’ny Fondation Telma misahana ny tetikasa “sekoly telma” sy ny fikambanana JAD ireo manam-pahefana tao an-toerana. Raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny Fondation Telma fa hitombo ny tahan’ny ankizy hiditra an-tsekoly ho an’ny taom-pianarana 2019-2020 noho ireo efitrano vaovao ireo satria afaka mandray mpianatra mihoatra ny zato. Nohamafisiny fa nanomboka ny taona 2015 ny tetikasa « sekoly telma ». Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy foto-drafitrasa, ankizy 14.244 no niditra an-tsekoly, efitranon-tsekoly 220 no namboarina ary fitaovam-pampianarana 30.000 no nozaraina tao anatin’izay dimy taona izay.

 Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *