Socio-eco

SEKOLY LYPARS : Mahay asa tanana avy hatrany ireo mpianatra


Feno 80 taona ny Lycée Privé Adventiste Rajoelison Soamanandrariny (LYPARS). Ny alahady 5 mey 2019  amin’ny 2 ora sy sasany eny amin’ny foiben’ny sekoly no hanombohana ny fankalazana. Miantso ny maintimolaly rehetra na mpianatra na mpampianatra nandalo tao amin’ny sekoly ho avy amin’io fotoana io. Hasaina ihany koa ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ireo mpianatra mbola mianatra ao amin’ny sekoly advantista Soamanandrariny sy ireo olona manam-pitiavana ny sekoly, hoy ny mpikambana ao amin’ny komity mpikarakara ny fankalazana ny faha-80, ramatoa Ratsirahonana Harilalao. Nambaran’ny filohan’ny komity ny fankalazana, Pasitera Andriamparatiana Fanera fa tetikasa ho atao tsangambaton’ny faha-80 taona ny fanatsarana ny endriky ny sekoly, ny fampidirana “connexion internet” ho an’ny mpianatra, ny fananganana “salle d’informatique”. Vinavinaina ho tokanana amin’ny ivon’ny fankalazana ireo tetikasa ireo.

Mahafehy ny asa tanana

Ny taona 1939 no niforona ny sekoly advantista Soamanandrariny. Manomboka any amin’ny Prescolaire ka hatramin’ny kilasy famaranana ny ambarantongam-pampianarana hita ao amin’ny sekoly. Mampiavaka ny LYPARS ny fisian’ny “activité parascolaire” izay tsy maintsy atao toy ny fianarana zaitra, sakafo, mofomamy sy ny maro hafa. “Fanabeazana mira fanavotana no tarigetran’ny sekoly. Eo ny fanabeazana akademika, ny ara-panahy fa indrindra ny fahaiza-manao”, hoy ny tomponandraikitry ny sekoly, Ramparany Patrick. Afaka miasa avy hatrany ireo mpianatra rehefa vita ny kilasy famaranana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *