Socio-eco

SEKOLY CRESCENDO : 10 taona namolavolana mpianatra ho tomponandraikitra


Tsy tahaka ny fisokafan’ny sekoly tamin’ny voalohany ny zava-misy ankehitriny. Mankalaza ny faha-10 taona niorenan’ny sekoly tsy miankina CRESCENDO. Nosokafana tamin’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ny fankalazana ka teny amin’ny foiben-toerany eny Antanetibe Antehiroka no nanatontosana izany ny 11 janoary 2020. Ankoatra ireo komity mpitantana, ny mpampianatra dia nanatrika ny lanonana ny mpianatra niaraka tamin’ny Ray aman-drenin’izy ireo. Nambaran’ny tale mpanorina ny CRESCENDO, Rakotomena Juliette fa tsy tahaka izao ny zava-nisy folo taona lasa izay. « Niezaka mafy izahay ary nisy fivoarana na tamin’ny lafiny ara-pedagojika na ny ara-tsosialy », hoy izy. Araka ny fanazavan’ny mpampianatra sady anisany nanorina sekoly, Ramatoa Rakotomahefa Lantoarilala fa vao nanomboka ny sekoly dia nisy primaire ka hatramin’ny kilasy famaranana (terminale). Nihatsara sy nivelatra izany satria nanaraka ny rafi-pampianarana malagasy ny sekoly.

Dimy taona lasa, sady manaraka ny rafi-pampianarana frantsay ny CRESCENDO ary manana safidy ny mpianatra sy ny ray aman-dreny raha hanala fanadinana bakalorea frantsay na tsia.

Nampatsiahivin-dRamatoa mpampianatra fa mpianatra avy any amin’ny sekoly hafa no noraisin’izy ireo tamin’ny voalohany ary teo ho eo ny taham-pahafaham-panadinana. « Nihatsara hatrany izany taty aoriana, tao anatin’ny dimy taona dia 100% ny taham-pahafahana », hoy izy. Filozofia entin’ny sekoly rahateo hoy izy ny fandraisana mpianatra tsy ankanavaka satria rehefa omena azy ny fampianarana, fitaovana ary ampy ny fanarahamaso dia tafita izy. Raha ny fanazavan’ny tale hatrany dia tsy mionona amin’ny famitana ny fandaharam-pianarana ihany ry zareo fa mamolavola ny mpianatra ho lasa tomponandraikitra ihany koa. Amin’ny alalan’ny fampianarana teatra no hampitàna izany.

Lynda A.


One comment on “SEKOLY CRESCENDO : 10 taona namolavolana mpianatra ho tomponandraikitra

  1. Elias Jean Pierre

    Bonjour,
    Je voudrai inscrire mon enfant chez vous, classe de seconde. Comment faire? y-t-il des places libres pour une inscription la semaine prochaine? mon téléphone le 034 62 98 775
    Salutations

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *