Socio-eco

SEKOLIM-PANJAKANA: Mpianatra 11 taona, manao firaisana ara-nofo sahady


Noborahin’ny mpampianatra nandritra ny « conseil de classe » tamin’ny ray aman-drenin’ilay zaza fa manao firaisana ara-nofo sahady ny zanany. Tsy vitan’izany fa nentin’ity zaza ity nankany an-tranony ireo namany nijery azy sy ny ankizivavy niaraka taminy nanao firaisana ara-nofo. Gina sy sempotry ny henatra ny ray aman-drenin’ilay ankizilahy kely raha nilazan’ny mpampianatra izany.
Fomba fanaon’ny sekolim-panjakana ny mampiantso ray aman-drenin’ny mpianatra rehefa hizara ny takelaka mirakitra ny voka-panadinana. Io no fotoana hampahafantarin’ny mpampianatra ny ditran’ny mpianatra amin’ny ray aman-dreniny. Tamin’ny herinandro lasa teo, nampiantso ny ray aman-drenin’ilay zazalahy 11 taona, kilasy fahenina mianatra ao amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoa eny Itaosy ny mpampianatra. Teo imason’ny ray aman-drenin’ny mpianatra iray kilasy taminy no namborahin’ny mpampianatra fa efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo ity zazalahy ity. Ireo sombin-taratasy nifanoratan’ireo namany tao am-pianarana no nahafantarana izany. Voalaza tao anatin’ny taratasy fa nijery an’ilay zazalahy niray tamin’ny sipany tany an-tranony ireo namany. Tsy nisy tahotra kely akory izy ireo fa dia notantarain’izy ireo tamin’ny namany hafa ny zavatra hitany. Kanjo, tratran’ny mpampianatra teo ampitampitana ilay taratasy izy ireo.
Tsy ampy intsony ny fanaraha-maso ny zanaka ao an-trano. Na dia revo amin’ny fitadiavana aza ny ray aman-dreny, tsy tokony atao ambanin-javatra ny fanabeazana ny zanaka.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *