Socio-eco

SEHA-PIHARIANA MOMBA NY VOLAMENA: Nidina tany Vakinankaratra sy Menabe ny “ANOR”


Kaominina dimy malaza amin’ny fitrandrahana volamena no nanaovan’ny “Agence Nationale de la Filière Or” na ANOR fitsidihana ny 18 ka hatramin’ny 23 martsa 2019 lasa teo. Ny kaominina Ibity ho an’ny faritra Vakinankaratra, ny kaominina Dabolava, Miandrivazo, Andranomainty ary Anosimena kosa ny faritra Menabe. Ny fampidirana ireo mpiantsehatra momba ny volamena toy ny mpitrandraka, ny mpividy amin’ny ara-dalàna no tanjon’ity fidinana ity, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy amin’ny ANOR. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fiarahamiasan’ity rafitra eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany ity sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana momba izany fampanarahan-dalàna amin’ireo kaominina notsidihana. Nisy ny fanentanana ireo mpanangom-bolamena, mpitrandraka volamena madinika, mpanome fahazoan-dalana hitrandraka sy vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny dingana rehetra lalovana. Nandritra ny fitsidihana nataon’ny ANOR ihany koa ny fanarahamaso maso ireo kaominina efa manaraka ny fenitra sy fanangonam-baovao ahafahana manavao ny antontan’isa ary ny famolavolana ny paikady vaovao  eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana volamena.

Olana

Samy manana ny mampiavaka azy ireo kaominina nandalovan’ny ANOR. Tao no nahitàna olana ary niarahana nitady tamin’ireo mpisehatra ny vahaolana mifanaraka amin’izany. Ho an’ny kaominina Ibity izao dia 200 ka hatramin’ny 300 mpitrandraka madinika mandritra ny fotoam-pitrandrahana. Ny olana dia manakaiky valan-java-boahary ny toeram-pitrandrahana. Vahaolana naroso ny fampandraisana anjara ny manam-pahefana any an-toerana, ny fokonolona ary ny fikambanana amin’ny fiarovana tontolo iainana, ny fampahafantarana ny paikady hisorohana ny fahisamban’ny valan-java-boahary. Ny fanavaozana ny karatra maha mpitrandraka nataon’ny kaominina kosa no nitranga nandritra ny fidinana nataon’ny ANOR tao amin’ny kaominina Dabolava. Misedra olana ihany koa ireo mpitrandraka, mpandraharaha volamena ao amin’ny kaominina Miandrivazo noho ny tsy fandriam-pahalemana. Ny fanentanana sy fampahafantarana ataon’ny kaominina ho fitohizan’ny asa nataon’ny ANOR no vahaolana hita mifandraika amin’izany. Marihina fa efa misy ekipan’ny ANOR manantanteraka fidinana any faritra Betsiboka sy Ambilobe.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *