Socio-eco

SEHA-PAMOKARANA AO ALAOTRA MANGORO: Nahomby ny ady sisika nataon’ny GSDM momba ny «agroécologie »


Fitsidihana ireo saha sekoly nanaovana fampiharana momba ny «agroécologie » sy atrikasa anaty efitrano hanombanana ny zava-bita sy hiaraha mitondra vahaolana manoloana ireo olana sedrain’ireo tantsaha noho ny fiovan’ny toetr’andro,  tsy fahampiana ara-tsakafo ary ny tsy fahampian’ny rotsakorana no nanamarihan’ny GSDM ny andro natokana ho an’ny « agroécologie » tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. gsdm alaotra mangoro 1Tamin’ny alalan’ny tetikasa PAPAM vatsian’ny AFD vola  no nahafahana nikarakara ity « journées Agroécologiques » ity ary notanterahana ny 11 sy ny 12 aogositra 2021  tao Ambatondrazaka. Tamin’ny andro voalohany dia nitsidika ny saha sekoly nataon’ny GSDM, ny  Durrel, ny Sdmad, ny « collège agricole » ary ny fikambanana Vifam ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, toy ny Tale jeneralin’ny fambolena sady solontenan’ny ministry ny fambolena sy ny fiompiana ary jono, ny Tale misahana ny fampiroboroboana ny tohana ara-pambolena avy ao amin’ny ministeran’ny  fambolena sy ny fiompiana ary jono (MAEP), ireo tomponandraikitra misahana ny fandrindrana  ny tetikasa PAPAM, tomponandraikitra avy amin’ny  departementa isan-tsokajiny avy ao amin’ny  MAEP foibe. Nanatrika izany ihany koa ireo tomponandraikitra avy any an-toerana, toy ny  tale misahana  ny fampandrosoana eo anivon’ny faritra  Alaotra, ny Talem-paritry ny  fambolena sy ny fiompiana ary jono (DRAEP), ireo solontena avy amin’ny fitaleavam-paritry ny  tontolo iainana, ny famantarana ny toetr’andro ary ny fizahantany, ireo mpisehatra isan-karazany toy ny Sdmad, ny « collège agricole », ny Durrel ary ireo solontenan’ny  tantsaha  efa misehatra sy mampihatra ireo « technique Agroécologique ».

Mamokatra foana 

Hita tamin’izany fa mavitrika ireo tantsaha ary azo tsapain-tanana ny tombony azon’izy ireo amin’ny fampiasana ny « agroécologie ». Tsapa fa mihatsara hatrany ny tsiron’ny tany, mitombo ny vokatra ary mihena na tsy mampiasa intsony ny akora simika izy ireo satria efa mampiasa ny « compost » isan-karazany. Ny fambolena an-tanety no tena voizina sy aparitaka manoloana ny tsy fahampiany tanimbary intsony. Ny voly rakotra, ny fampivadiam-boly sy ny fifandimbiasam-boly ary ny fampiasana ireo « plantes légumineuses » manatsara ny tany, toy ny cajanus, ny mucuna, ny dollique ary ny tephrosia eny an-tanety no isan’ireo teknika nampiasaina. Ankoatra ny vary an-tanety dia mamokatra voly avotra koa ireo tantsaha ka karazana legioma, toy ny ovy, concombre, voatabia… no vokarina amin’izany mba ho atao sakafo sy entina hanatsarana ny fari-piainan’ny ankohonana . Nohamafisin’ireo tantsaha, tamin’ny alalan’ny fijoroana vavolombelona nataon’izy ireo, nandritra ny atrikasa, fa « mila maharitra vao tena mahita vokatra amin’ny fampiasana ny agroécologie fa rehefa mihatsara ny tany dia mitombo isan-taona ny vokatra ary mahavita taona sady mbola afaka mivarotra. Na dia maina be aza ny tany dia mamokatra foana rehefa mampiasa ny voly rakotra satria mitahiry rano ».

Ampidirina anaty politikam-panjakana

Sompitr’i Madagasikara amin’ny resaka vary ny faritra Alaotra Mangoro fa raha tsy misy fenitra sy andraikitra raisina dia loza mitatao satria tsy hamokatra intsony.

Nivoitra tamin’ny atrikasa nandritra ny « journées agroécologiques » ireo olana sedrain’ireo tantsaha  ka ao anatin’izany ny tsy fahampiana na tsy fahitana masomboly, ny resaka « divagation animale » eo amin’ny omby, tsy maharitra ny tetikasa nefa ny tantsaha mila tohana ara-teknika foana, tsy fahampiana fitaovana, ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro.  Nanolotra soso-kevitra avy hatrany ireo solotenam -panjakana sy mpanapa-kevitra tonga tao amin’ny atrikasa. Noresahina tamin’ izany fa manana paikady ny MAEP sy ny faritra  manoloana ireo fitarainan’ny tantsaha ary mampanantena fa hanao laharam-pahamehana izany. Azo lazaina fa nahomby ny ady sisika na plaidoyer nataon’ny GSDM momba ny fitakiana ny fampidirana sy fanaovana ny agroécologie ho laharam-pahamehana mba hampaharitra ny seha-pamokarana any Alaotra. « Ny agroécologie dia tokony ampidirina anaty politikam-panjakana ary hampiharina anaty paikadim- panjakana ».

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *