Socio-eco

« SECOURS ISLAMIQUE FRANCE »: Nanolo-tanana ireo tra-boina tany Atsimo


Nametraka takaitra tamin’ny faritra atsimon’ny nosy iny ilay rivo-doza « Eketsang » tany amin’ny fari-dranomasin’i Mozambika ny herinandron’ny 21 Janoary 2019. Nahazo ny loko mavo tamin’izany fotoana izany ny faritra Androy, Anosy ary Atsimo andrefana. Noho ny fahavoazana naterak’io rivo-doza io dia  tonga nanolo-tanana sy nanampy azy ireo ny fikambanana « Secours Islamique France » (SIF) ny 04 Febroary 2019 ka nizara kojakoja ilaina andavanandro. Toka-trano tra-boina 200 ao amin’ny fokontany Ankilimahavelo, kaominina ambanivohitr’i Tanandava no nisitraka an’izany. Vary milanja 1145 kg, tsaramaso 458 kilao, menaka 229 litatra, siramamy 229 kilao ary sira 458 fonosana no nozaraina tamin’ireo toka-trano ireo. Ankoatra ireo dia nomena fonosana « Wash » ireo fianakaviana ireo ho fidiovana. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny BNGRC, ny ministeran’ny mponina, lehiben’ny distrikta, ny ben’ny tanàna, ny dinabe, ny fokontany Ankilimahavelo ary ny mponina eny ifotony… Hampihena ny vokatry ny valan’aretina, hanampy amin’ny fandanian’ireo fianakaviana tra-boina ary ho Fanamafisana ny fahaizamanao ny vondron’olona ifotony amin’ny fiatrehana ny loza no tanjona amin’izao hetsika izao.

Vokatry ny rivo-doza

Dibo-drano tanteraka ireo fambolena isan-karazany tamin’iny faritra iny ao anatin’izany ireo tanimbary hekitara maromaro. 1193 ireo olombelona tra-boina ao anatin’ny tokan-trano 200. Nafindra tamin’ny Epp Angara sy fiangonana FLM Angara ireo tra-boina 87. Ny ambiny kosa namonjy ny fianakaviany. 175 ireo trano dobon’ny rano ka potika tanteraka ny 25. Difotra tanteraka ny trano 16 ka tsy azo hipetrahana intsony.

Marihana fa faritra Andrefana no iasan’ny SIF,  indrindra ny distriktan’i Horombe.

Nirina R.


One comment on “« SECOURS ISLAMIQUE FRANCE »: Nanolo-tanana ireo tra-boina tany Atsimo

  1. Pingback: « SECOURS ISLAMIQUE FRANCE »: Nanolo-tanana ireo tra-boina tany Atsimo - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *