Socio-eco

« SECOURS ISLAMIQUE FRANCE » : Asa maika tao amin’ny EPP Ambodihady


Nihotsaka ny tany ao ambadiky ny EPP Ambodihady Ambohimanarina ka tandidomin-doza ny sekoly. Efa am-polo taonany no nisy fihotsahana saingy tsy nisy ny fandraisan’andraikitra na dia efa natao aza ny tatitra tamin’ireo tomponandraikitra mahefa. Vokany, niitatra tsikelikely ny izany noho ny rotsakorana mitranga isan-taona. Vao maika loza ny fianjeran’ny tany tamin’ity taona ity. Ho fisorohana ny loza mety hitranga dia nanatona ny ONG Secours Islamique France (SIF) ny tomponandrakitry ny EPP Ambodihady. Mba tsy hampihiitatra ny loza dia nanolo-tanàna ny EPP ny ONG ka asa maika no natao tao anatin’ny 15 andro. Nanomboka ny voalohany volana martsa 2019 ny asa ary noraisina ara-pomba teknika ny 15 martsa 2019 lasa teo ny foto-drafitrasa. Nanatrika izany ny solontenan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny boriborin-tany faha-enina, ny delagasiona avy amin’ny SIF, ny orinasa nananmboatra ny foto-drafitr’asa ary ny talen-tsekoly sy ny mpiara-miasa aminy.
Voafaritra tao anatin’ny fanampian’ny SIF ny fandrakofana ny ny faritra nihotsaka tamin’ny alalan’ny “ bache géo membrane”, fandrodanana ny trano fivoahana natokana ho an’ny mpampianatra ka nanamboarana foto-drafitr’asa vonjimaika, hoy ny tomponandraikitry ny ONG, Andriamanirimanasoa Lalaina. Narodana ihany koa ny ampahan’ny efitranon-tsekoly hianaran’ny ireo zaza ao amin’ny “préscolaire” satria hatahorana hianjera. Voatery nampiarahana amin’ny “préscolaire” iray hafa ireo mpianatra, araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly, Raherinjatovo Mampionona. Ankoatra izany, ho fitarihana ny ranonorana tsy handalo any amin’ilay tany mihotsaka dia tao anatin’ny fiarahamiasa niarahan’ny roa tonta ihany koa ny fanamboarana tata-drano. Nofefena ihany koa ireo faritra tandindomin-doza ho fiarovana ny mpianatra. 30 tapitrisa Ariary ny vola natokana tamin’ny asa fanamboarana, raha ny nambarany ny tomponandraikitry ny Secours Islamique France. Nomarihany fa mbola hijanona eo amin’io asa vonjimaika io ihany aloha ny fanampian’ny SIF.
Efa mpiara-miasa akaiky amin’ny SIF sy ny EPP Ambohidahy satria ankoatra ny fanamboarana ity foto-drafitr’asa ity dia efa nanampy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sahirana ny ONG. Anisan’izany ny fizarana vatsy ara-tsakafo azy ireo.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *